« Ho fiaraha-miory… », Nitiah Nosy.

 

Ho fiaraha-miory…

 

Ran’ny Malagasy no indreo nitabatabaka,
vatana efa rotika no hita miampatrampatra!
Dia Noho ny sotasotan’ireo mpampihorohoro,
reraka ny saiko e! Ny foko torotoro!

Atsangako ny saina, saingy izy hitomany,
hilonjitra, hisaona ho ambany dia ambany!
Fa gasy toa ahy no injao mamelovelo,
namoy ny havan-tiana, vesaran’alahelo!

………………………………………………………….

Ry malagasy namako o! Fotoana mety izao,
hanairana indray ny ao an dapa ao!
Ry ‘zalahy mantsy variana miaro ny azo,
ninia nanao zinona vahoaka efa ho lavo!

Ry manam-pahefana o! Malagasy ianao,
Inoko ianao ho tohina raha manoloana izao,
k’ hisaina hampiato izay efa voaomana,
na hanim-pito loha, na fety aman-danonana!

Ataovinao ho anatra ‘zao voina mihatra izao,
fa ny ain’ny Malagasy no nolalaovinao!
Tsy nampiraika anao ‘reo adiny hatrizay,
dahalo, fahantrana, ny jaly mahamay!

Mba mandiniha tena, ‘ra tsy mahavaha olana,
mametra-pialana fa tsy miandry haongana!
Fa efa mila ho fefika tokoa i Gasikara,
sao tratra farany eo, ho adinin’ny tantara!

Nitiah Nosy. 23/06/2016.

Beroroha 2

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s