« Kizo sy Fahoriana », novolenareo ary mbola mitohy »… Nary, Chris, Nitiah, Tovo.

Malagasy aho

VAHOAKA MALAGASY

 

Vahoaka miaritra… Vahoaka mangina
Hendry be foana…na ampahoriana
Mpitondra miliba ary manala azy
Izay miana-miteny dia iharan’ny sazy

Vahoaka noana…vahoaka osa
Mitrongy tsy kivy… Efa bokan-trosa
Mpitondra mamarotra harenan’ny tany
Mpitsara azy aza manaiky an’izany…

Vahoaka bado… Tena vahoaka
Tsy atahorana ny andeha hitroatra
Tsy ampy andaharana resaka adala
Azo fehezina tsy hamaky vala

Vahoaka lanaka…vahoaka reraka
Tsy afa-mankaiza…indray toa miveraka
Mpitondra fatsora…mandany mandany
Firenena koa dia mankany mankany

Vahoaka milay… ianareo hoe ry gasy
Tsy atahorana loatra ny higafy
Tsy mitaraina na tsy mihinan-kanina
Asiana tapolaka dia efa milamina

NARY (Mamitiana Randrianarison).
16/06/2016

Teny gasy.

 

Teny gasy mamy loatra,
Ilay nahaizana niarahaba
Sy nianarana nisaotra
Nipetsana nitabataba

Teny gasy lavalava
Miverindroa sy feno a
Kanefa toa indray ambava
Indrindra rehefa maika aho

Teny gasy maro loko
Mifankahazo foana ihany,
Valoambinifolo foko,
Miara-monina amin’ny tany

Teny gasy, tenindrazako,
Tsy hohadino velively,
Entiko sy tsy tambazako,
Na aty Andafy aza aely.

Teny gasy

@ Christiane Ramian

2 Juin 2016.

TONTOLO TSY AVOTRA

 

Mila hitriatra izany foko!
Mipararetra ny tontolo,
misaona mainty, mitoloko,
noho ny mpampihorohoro.

Vatana miampatrampatra,
mihoson-dra, tsy misy aina,
toreon-jaza tsy mitsahatra,
sy feo maro mitaraina!
Ny tsy manan-tsiny hatrany,
no sorona tsy ananan’antra!
Efa hikoro angaha ny tany,
no hita tena mihamahantra!

Mihabiby toetra ve ny olona,
no zary nietry toy izao?
Zava-dratsy tsy hay tononina,
nanjary lasa atao fanao!
Mihorohoro ho’aho ny tany e,
rakotr’ady sy haratsiana
Herisetra tsy hita lany,
hanjakan’ny habibiana!

Ny foko avy no torovana,
toa sanganehana ny saiko.
ambavahaonam-pahalovana,
tontolo ahoana no antenaiko?

Nitiah Nosy
23/03/16
06:24

26 jona 2016

 

Mahaleotena hoe i Madagasikara?
Manontany tena ireo mba te-hahalala
Fa inona tokoa re no tena zava-misy?
Ireo mpitondra antsika, mandainga jiaby indrisy.

Ny toe-karenan-tsika, lazainy fa voafehiny
Kanefa aiza akory? Vao maika koa potehiny
Ny tanindrazana aza moa, mba jereo anie!
Ny vahoaka indray, no atao « allez » mandeha!

Fety be mafotaka
Izao no ao an-tsaina
Ny ankizy no arotsaka
F’ireo mora ambakaina
Hirindra sy hanao matso
Mataho-mpanatsatso?

Ny tanimboly maro, fasana, tanàna
Ahoron’ny vahiny, sinoa, vazaha, karana
Ireto miaramila, mba Nantenain-kiaro
Indrisy fa namadika, niala tamin’ny maro

Ry tanindrazanay Malala ô!
Ry Madagasikara soa
Ry zalahy irian-kiala rô!
Mafy sofina avokoa

Akory atao?

Tovo. Tovo Ratovonomenjanahary
24 jona 2016

MCM de Paris.

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy

Logo MCM

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , , , , , , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s