« Rafahafahana », Mamitiana Randrianarison.

 

RAFAHAFAHANA

 

Hono hoe Rafahafahana
Toa maneso sy mandatsa
Ireto hatra manoloana
Mody hoe fahaleovantena
Nefa io misy mibaiko
Sy mitsabaka vilany
Indraindray mampanontany

Hono hoe Rafahafahana
Hoe afaka amin’inona?
Trosabe aza tsy hefa
Ny omaly ampiana ihany
Ireo ny tany izao faritany
Noloarany io mihitsy…
Norombahin’olom-bitsy

Hono hoe Rafahafahana
Fa nohafahan’iza moa?
F’io indray dia nidi-kizo
Anaty lavaka mangitsoka
Tsy hazahoa-miteny intsony
Na hanitsy na hiady…
Fonja izay minia mitady

Hono hoe Rafahafahana
Mbola ho ela sa akaiky?
Fa tsy tazanay ny hiratra
Aty ambanivolo aty…
Izany fandrosoana izany
Renay mihamazàna
« Tsisy hoe ny fahantrana »

Hono ho’aho Rafahafahana
Ananay moa va ianao?
raha izao bobohanay izao
Dia mangidy aminay
Tsisy azo hianteherana
Na hikiry na hanezaka
Zatrazatrana tandrevaka

Indrisy mantsy…

Izao ny vavanay akombona
Raràna koa izahay hivondrona

Ny volanay izao nolaniany
Dia nataony koa izay tiany

Ny havanay any vonoina
Ny nosinay koa nobodoina

Lanonan-dava handrendrehana
Lany afo am-piketrehana

Very izahay ka mihapahana
Fa aiza ianao Rafahafahana?

NARY. Mamitiana Randrianarison.
24/06/2016

 –

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s