« Mitrakà », Christiane Ramian.

 

Mitrakà.

 

Aza mandohalika,
F’izay no tadiaviny!
Aza malomaloka,
Hahafaly ny mosaviny,
Fa asehoy ny tsiky,
Hanafenana aminy,
Ny alahelo mikiky
F’izay no tena maminy!

Aza mety ho vatana,
Hanaovany ireo sorona,
F’izy amorom-patana,
D’ianao no nde hitolona
Ny fahasahirananao,
Aza lazaina akory,
Fa ataony kilalao,
Hahitàny tory…

F’izao miseho izao,
Entiny hanafenana,
Amin’izao tontolo izao
Ny fari-piambenana,
Iarovany ny ainy,
Fa tsy ianao mihitsy,
Ny rakatry ny sainy,
Dia tsy hitsitsitsitsy…

Kanefa mba aiza ireny…
Nitondra ireo rongony?
Toa tsy hahitan-teny
Irony dahalo irony,
Sy afera bolabola,
Ny fangalaram-basy,
Ny baoritry ny vola,
Tsy misy taratasy?

K’izay no lazaiko anao,
Aza mino izay lazainy,
F’efa isan’andro izao
Ianao no tsy hajainy,
Ka miavota tena,
Misikina, miasa,
Hahaleovanao tena,
Fa izy vasavasa…

Mitrakà.
© Chris. Christiane Ramian.

27/06/2016.

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s