« Vavaka », Tovo Ratovonomenjanahary.

 

Vavaka

 

Ry Jesosy Tomponay
Mpanjaka Zanaky ny Ray
Mba mamelà re ny helokay
Fa tena diso hatramin’izay

Raho-mainty mitatao
Korontan-dava, raorao
Tsy misy miafina Aminao
Iainanay hatramin’izao

Vao omalin’ny omaly
Vahoaka maro niara-paly
Indray naratra sy nijaly
Nampidirina hopitaly

Nisy moa namoy ny ainy
Tomany i neny sy ny rainy
F’ilay zaza nantenainy
Dia faty sisa nobatainy

Inoanay Ray fa sitrakao
Matoa lalovan-janakao
Misaora foana hoy Ianao
Fa ho avy ‘lay maraim-baovao

Mivavaka aminao hatrany
Enga anie ireo fokontany
Sy ny vahoaka ety ambany
Hanompo Tompo Iray ihany

Vangio manokana ry Ray
Ireo mpitondra hatrany an-tampony
Ataovy fantany ny antony
Sao sanatria ka tsy ho tantiny
Rehefa avoakanao ny kaontiny

Ka tolory fahendrena
Ary koa fanetren-tena
Mba hibebaka tokoa
Ka tsy hamerina in-droa
Izay tsy nety rehetra vita
Na ny hita na tsy hita

Tahionao r’Ilay nahary
Ity nosindrazanay ity
Ny hoavinay ho lavorary
An-tratranao ry Tompo tia.

Amen

Tovo
27 jona 2016

Malagasy dia iray ihany Aza mba manaiky zarazaraina izany isika na foko avy aiza no misy anao na faritra avy aiza. Ny fomba mety samy manana ny azy fa iray ny Malagasy. Raha miombona ho iray tokoa isika rehetra dia handroso tsy ho refesi-mandidy i Madagasikara. Malagasy ve ianao –

 Hommage aux victimes. Ph Sakaiza Mahatoky

Advertisements

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s