« Potika sy maty », Christiane Ramian.

Potika sy maty

 

Fa naninona re izato teny malagasy,
Lasa potipoti-teny sy sora-tsy hay vakiana
Ny fitsipi-panoratana nanjary nangasihasy
Soloy teny hafa raha toa ka tsy tiana

Fa naninona koa izato fiaraha-monina,
No tsy mifampatoky sy lasa niavonavona?
Raha misy izay manjo tsy hita izay antonina
Ny mampindrana tsy efa fa tonga dia manjavona

Fa nankaiza i Zanahary sy ny razana nitahy?
Nosoloina sary masina sy ny hirana vazaha?
Kanefa ny azy any aminy efa mangingina,
Ianao natao hanompo sy hiari-pihafiana.

F’inona no nanjò ireto foloalindahy?
Toa olona kanosa sy vatana tsy sahy?
Karamaina haninona? Himamo sy hisetra?
Ny vahoaka matimaty tsy misy iray mitsetra,

Ry Dago o izao sisa no azoko jerena:
Taniko sahirana, vahoaka mosarena,
Miandry fanampiana, miandry fahagagana
Firy taona izay tsy misy fiovàna…

Safidy ny nivarina, valo taona izay…
Vahoaka mafy ady, vahoaka tsy mba fay
Efa mitsikasina, tiany alevim-belona,
Aripany ankolaka fa manelingelina.

Potika sy maty

© Christiane Ramian

02/07/2016.

  Soamahamanina. Vahoaka

sightsunseenphotography.com

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s