« Sisa », Christiane Ramian.

Sisa

 

Lasa mpamono olona ny Malagasy sasany,
Manao asa ratsy no hany sisa asany,
Te-hanambola tampoka, fa tsy te-hisasatra,
Dia ny manao ratsy no hevitra mba takatra…

Na fanendahana aza dia hamonoany olona,
Ny fanompoana koa mila fanaovan-tsorona,
Ny famakian-trano dia handavoana aina,
Izay aleha rehetra lasa mampitaintaina.

Zaza firifiry no matimaty foana,
Fianakaviana firy, no miaraka misaona,
Nohon’ny hetraketraka sy ny fanahy ratsy,
Asa inona no hitranga atsy aoriana atsy…

Tsy ady tsinontsinona dia maty ireto gasy,
Tsy afaka hitsoaka na hoe hifindra lasy,
Maty mangingina tsy misy izay mitsetra,
Ankilabao hatrany amin’ny tany rehetra

Alaina indray ny taova asa hatao inona,
Alatsaka ny rà, fa hono te- ho ambinina,
Rehefa maty indray voaroba koa ny fasana,
Ny momba antsika mihitsy no mahita faisana.

Na fety no aleha, na koa fahoriana,
Na adidy andeha atao na koa fivoriana,
Tsy afaka mihaingo, na peratra mariazy,
Mifitsaka, mahantra, toy ny voasazy…

Miaro ve ny lanitra sa efa nanadino?
Anontanio rey olona, ho anareo izay mino,
Nahoana ity tany no tsy mety miarina?
Izay valimbavaka ve azonay fantarina?

Nahoana moa ny tany no tsy jerena akory,
Sa izay any andanitra no tsy mampahita tory?
Tsy ny hita maso ve no antony hivelomana,
Ny hanasoa ny tany hiadanan’ny ankohonana?

Sa samy maka ho azy, k’izay no mahafaty,
Ripaka sy lavo izay tsy mahatanty,
Ilay fifanampiana he nasolo vavaka,
Ilay fihavanan-drazana, niova sady niavaka…

Tsy trano atsimo avaratra, fa nofenoina fefy,
Ny firaisankina tsy hery fa levona sy lefy,
Ny tsikalakalam-bola manjaka hatrany ambony,
Ny fitiavan-tena no mameno ny ati-fony.

Samia miaro ny ainy, samia mitia ny tenany,
Tsy hisy mihitsy hafa hanolotra ny tenany,
Resa-be daholo izay teny sy kabary,
Aza maty fotsiny, na hoe hararirary!

Sisa

© Christiane Ramian.

02/07/2016.

sisa

Fianarantsoa. Ph Benoit Feron.

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s