« Henatra », Christiane Ramian.

La Honte Hugues Le Malgache

Henatra

 

Ry henatry ny taniko, ry fanetry be,
Lavolavo fotsiny eny andalambe,
Verivery saina, anaty fanamiana
Izy miaramila no mila fanampiana

Tsy resin’ady akory na nisy niantafika,
Kanefa he mitsitra antany lasa lafika,
Henatry ny ray, henatry ny vady,
Henatry ny zanaka, mitonona ho kiady

Firifiry ireny no hiantohana ny ainy,
Sakafo, akanjo, tafo sy izay mety ilainy,
Mireny sy mandrahona, miliba sy mimamo
Mitanitanin’andro, tsy miasa sady kamo

Afafy ho azy ireo ny vola tsy hita isaina
Izay azony anio tsy misy trà-maraina,
Araraka ny kintana hameno ny fahanterany
Ny sezan’ny mpitondra no sahiny ambenany

Raha foanana tsy hisy ireny miaramila,
Sady tsy hiaro no mampifilafila,
Omena ny mpitsabo, sy ireo mpampianatra
Ny trano sy karama, ny ankizy mety hisandratra

Ry henatry ny tany, etsy hoy aho mifohaza,
Fa matimaty foana anie ireto olona sy zaza
Mba manàna hambo, miangavy anao Rangahy
Arovy izahay raha toa ianao lehilahy!

Henatra
Christiane Ramian

03/07/2016.

Henatra

   Hommage aux victimes. Ph Sakaiza Mahatoky

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s