« Fanjakana mampihorohoro », Christiane Ramian.

Fanjakana mampihorohoro

Satrinao hikombona ny vavan’izy ireny,
Satria tsy zakanao ny feony miteny
Satrinao tsy hisy ny filazambaovao
Hilaza ny hadalana sy izay ataonao…

Foroninao lalàna hampihorohoro,
K’izay mahasahy miteny lavo sy hikoro
Ny mandrahona ny gasy no hany herinao
Ataonao fahavalo izao rehetra izao.

Ny ratsy sy ny dahalo no omenao laka
Tahotra sy fehy, kolikoly no manjaka,
Henatray ianao Rajaonarimampianina,
Mirangorango loatra toa vao nahita hanina.

Ny Fireneko potiky ny havendrananao,
Ny ho avin’ny ankizy ataonao kilalao
Ny tena tanjonao dia ny hangorona harena,
Tsy raharahanao izay mahantra mosarena,

Ny hosoka, hala-tahaka no talentanareo
Ny hevitrevi-petsy sy ny lainga mankaleo,
Mpanao kaonty vilana sy tsy mahay mikajy,
Miteniteny foana, tsy mahavita azy.

Enga anie ianao hiongana tsy hita,
Afaka mandositra hatrery ampita,
Fa halohalika ny rano efa avo loatra,
Ny hatezeranay manonja sy mandroatra.

Ahoana no hiaretana taona roa be izao,
Nefa ity ianao tsy hisaina, tsy hanao
Matimboninahitra sy matimatimbola
Miala teo fa aleo ianao asolo…

Fanjakana mampihorohoro

© Christiane.

Christiane Ramian

08/07/2016.
 NON à la censure
 Art 20
 Nous n'allons pas nous taire

 

Advertisements

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s