« Mpiaraka taloha », Christiane Ramian.

Mpiaraka taloha,

 

Ahoana no hamohazako ilay fitiavanao natory,
ianao niara-nitolona, niara-nifaly sy niory,
ianao ilay mingonona fa rehefa antsoina tsy hita,
Ianao mialokaloka sy sambatra eny ampita?

Ahoana no hampitempo ny fonao hilazo ady,
Mbola tanora ve dia hilavo lefona sahady?
Sa heverinao maloto ny mitaky fahafahana
Fa ny fonao nihidy sanatria toa varavarana

dia efa tafita ve ka mihainohaino sisa?
Izany gasy izany, aleo ny hafa no hitanisa,
Manasa tanana aho, hoy ianao fa tsy ahy izany,
Efa manampy ny havako aho ka mandry ny tany…

Efa entinao ambavaka ny fiainampirenena,
K’izao ngamba ny sitrany ka tsy maintsy ekena?
Fantatrao anefa fa tsy Andriamanitra mihitsy,
No nampitondra faisana, sy tsy nitsitsitsisy!

Mahantra olona ny tany, manjaka koa ny vola,
Efa levona tokoa ny Ntaolo f’efa fahagola,
Mora lavo ny olombelona fa nilaozan’ilay sainy,
Efa adinony ny taniny fa efa avotra ny ainy…

Mpiaraka taloha,

Christiane Ramian

10 juillet 2016.

Nitiah N
Sary nindramina (FB)
Ne nous laissons pas terroriser

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s