« Nankaiza ny Andriamanitro ? », Mamitiana Randrianarison.

 

NANKAIZA NY ANDRIAMANITRO ?

 

Nankaiza ny Andriamanitro?
Toa sarina vazaha no iankohofan-dreo
Vavaka vazaha no tanisainy teo
Fomba efa vazaha na toetra na fihetsika
Tsy menatra mambotry, faly ny mitsetsitra

Nankaiza ny Andriamanitro?
Zinara antoko maro, ny hoe fivavahany
Hanefana hetra ny sinisa kely ananany
Lazaina fa hivoatra izy fa mila mino mafy
Mamoky pasitera ny fiainany mihafy

Nankaiza ny Andriamanitro?
Voaota fady mihitsy ny zoron-tany rehetra
Feno ireo vahiny sy fiainana voretra
Miliba ireny volany aty no manan-kery
K’izao ny maha-izy ahy tadiaviny ho very

Nankaiza ny Andriamanitro?
Zary very hasina ilay teny mba nomamiko
Lazainy fa mamery ny fomba nandrianiko
Nefa inay aho nankato izato itompoany
Toa vao miha aho mahita fahoriana

Nankaiza ny Andriamanitro?
Toa vozongo indray no mamaritra ny taniko
hoe afindra lasy indray izany ny akaniko
An’azy hono mantsy…namidy mananasy
Tany varo-boba hoe ny tany malagasy

Loza re rey razako
Fa raho-mainty foana no tsinjoko sy tazako
Iharan-tsetrasetra ny malagasy havako
Trongisiny io ny tany…samy benahoana
Bodoiny koa ny nosy…samy toa mimaona

NARY
03/07/2016

Mami 2

 Mami 5 Mami 4

 Le wahhabisme à Madagascar

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s