« Ady seza », Andry Rakoto.

 

ADY SEZA

Raha mba hiezaka hanasoa,
ireo vahoaka izay noana,
raha izay no tena an-doha,
ka handany ny fotoana…
hitady fomba ifanasoavana,
dia tsy misy ny fandavana…
fa izaho koa mba hiady,
amin’ny heriko rehetra…
saingy indrisy fa tsy vitako,
fa mandrara tsisy fetra…
ireo toe-tsaina efa simba,
ka tsy ahafahana mandrindra,
fiaraha-monim-baovao,
ka lozanao ry seza ratsy,
fa simbanao ireo mpitondra,
k’ireo mahay taratasy…
lasa miketrika diamondra,
manjaka ny fitiavan-tena,
ka misy ireo mpanampitrisa,
sy mahantra tsy hita isa.

Noho ianao ry seza ratsy…
dia miady izao ny Malagasy…
mifankahala isan’andro,
misy ireo tsy mba mahandro,
fa malahelo ao am-po…
Izao no anjara, atao ahoana moa ?
ratsy zara ireo harena…
ka misy ireo manan-karena,
fa maro koa ny mahonena…
lozanao ry seza ratsy…
mahantra izao ny firenena.

Andry Rakoto
14/07/2016

Ady seza

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s