« Andray Rabegalona », Mamitiana Randrianarison.

Soamahamanina. Pact Asser 2

Andray Rabegalona

 

Andray Ramiaramila
izato setrasetranao
Aminay rahalahinao
Nantenaina ianao ho tandroka
Mba aminao ay no hisarangotra
Nefa indro ianao manonto
Sy miaro ireo mpandroba
Tia mamoritra vahoaka
Ndrao dia efa tafahoatra?

Andray Rabegalòna
Izato sotasotanao…
Sa ve avo izany ianao?
Tsy azon’aloka na oviana
Zary toa minia mangina
Sy mitazataza-potsiny
Ny tena olana eny ifotony
Hamela irery anay tantsaha
Gina irery hangahiahy…

Andray Rabeapinga
Izato ity ataonareo
Mba avia anie jereo
Ireto ataon’ireo sinoa
Andeha hitrongy tany eroa
Izay mba fivelomanay
Nefa izao indray dia kibay
setroka mamaivay…
No vali-pitakianay…

Andray ry Rainitafika…?
Ity ataonao aminay
Asa ve vahiny indray
No arovanao fatratra?
Any ianao mantsy tsy tapaka
Amy vola raraka ompana
Ka raha misy hoe korontana
Dia avy ianao midarodaroka
Sa vitanao koa ny namarotra?

Andray Rajaoneraly…
Fa tonga ve ry sonegaly
Avy indray ny hampijaly?
Andeha hamafy fahoriana
Ho an’ireo izay manakiana
An’ny fitondrana misy
faly ny mampandry adrisa
Ka dia manasazy henjana
Ho an’izay manembatsembana

Aoka re Rakalaonely…
Izy ity moa tsy ankijery?
Tsy ankisaina na dia kely?
Hoe tanam-polo izahay vahoaka
Ka raha avy mba mitroatra
Anamparanao ny hery
Dia iny ianao mamely…
Moa voavarotra fanahy
No dia boto loatra lahy?

Andray Ramaitsomaitso…
izato sisa ataonao…
Angaha tsisy ankoatr’izao
Mampahory manodidina…
Sa izay ilay baiko midina?
Andripahanao tanàna
hoe manaraka lalàna…?
Tena anao tokoa ilay basy
Ka voaaro i Mananasy…

NARY, Mamitiana Randrianarison.
16/07/2016

Mami 4 Soamahamanina vahoaka 3

Sinoa Soamahamanina 20 ananas 1

Advertisements

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s