Commission Episcopale Justice et Paix. Monseigneur Roger Victor RAKOTONDRAJAO. Soamahamanina.

Commission Episcopale Justice et Paix

 

Ho an’ny tompon’andraikitra isan’ambaratonga eto amin’ny firenena, Ho an’ny vahoaka malagasy sy ireo olona tsara sitra-po.
Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin’i Jesoa Kristy Tompo !

.
Tankina ny Malagasy rehetra raha nandre tao amin’ireo fampitàm-baovao ny zava-nitranga nahatsiravina izay nahitàna fandripahan’olona tsy manan-tsiny nataon’ireo dahalo ka nahafoizana ain’olona maro. Nanampy trotraka ny fisian’ny zava-misy tao Ambotry Ambalavao tamin’ny fanafihana nataon’ny miaramila maka endrika dahalo.

.
Valaketraka ny maro raha nahita ny sarin’ireo izay namoy ny ainy sy naratra vokatry ny fitorahana grenady tao amin’ny kianjan’i Mahamasina, nandritra ny fampisehoana nentina nankalazana ny fetim-pirenena ny tolakandron’ny 26 jiona 2016.

.
Tianay ao amin’ny Vaomieran’ny Eveka momba ny Rariny sy ny Fandriam-pahalemana (Justice et Paix) ny maneho etoana ny fiaraha-miory amin’ireo fianakaviana namoy havan-tiana sy mirary fahasitranana haingana ho an’ireo naratra ary mitrotro am-bavaka anareo rehetra.

.
Vao tsy ela akory izay dia nisahotaka ny tantsaha tao Bealanana sy tao Soamahamanina noho ny fitrandrahana ataon’orinasa vahiny eo amin’ny tany nohajarian’izy ireo hatry ny ela.
Ireo toe-javatra ireo, raha tsy hiteny afa-tsy ireo, dia loharon-tebiteby ho an’ny vahoaka malagasy izay efa trotraky ny adim-piainana ankehitriny.

.
-Mandry andriran’antsy tokoa mantsy izy amin’izao fotoana izao. Mandry andriran’antsy satria ny Fanjakana tsy mahavita miaro ny ain’ny olona sy ny fananany : maro ireo namoy ny ainy tato anatin’ny telo taona noho ny fanafihana tetsy sy teroa. Marina fa nanao ezaka ny fitondrana hamongotra ny asan-dahalo nefa toa tsy ampy hery eo anatrehan’ireo mpanao ratsy izay manao ny lalàny.

.
-Manjavozavo ny ho avy, satria ny tany natao ho fototry ny fivelomana sy ilevenan’ny razana amidy amin’ny hafa.

.
-Manampy trotraka an’ireo ny tsy fanajana ny rariny sy ny hitsiny, indrindra eo amin’ny sehatry ny fitsaràna. Lasa fomba fanao ny fitsaram-bahoaka, izay maneho ny tsy fitokisan’ny vahoaka amin’ireo izay tokony hampihatra ny rariny. Very an-javony noho izany ny fametrahana ny hoe fanjakana tan-dalàna.

.
-Manjaka ny risoriso sy ny fahalovana amin’ny sampan-draharaha maro sy amin’ny fiainana andavanandro. Tsy misy tsy vitan’ny vola amin’izao fotoana izao, ka mampiteny ny moana ny fisian’ny tsy fahamarinana aterak’izany.

.
Vokatr’ireo : mahazo faka ny fitiavan-tena, mifampiahiahy ny mpiara-monina ary marisarisa ny fiaraha-miaina sy ny fandriam-pahalemana.

.

Eo anatrehan’ireo zava-misy mahavalalanina, dia manao antso avo aminareo tompon’andraikitra ambony eto amin’ny tany sy ny Fanjakana izahay ato amin’ny Vaomieran’ny Eveka momba ny Rariny sy ny Fandriam-pahalemana ka manolotra soso-kevitra vitsivitsy :

.
1.Ilaina ny anaovana latabatra boribory anasàna ny ankolafin’olona rehetra mba ahafahan’ireo tompon’andraikitra mihaino ny hetahetan’ny vahoaka. Fifanakalozan-kevitra momba ireo olana sedraina ankehitriny mba itadiavana vahaolona maharitra no atao, fa izay ihany no heverinay fa làlana ahafahana misoroka ny savorovoro mety ho lasa pitik’afo hampirehitra ny vanja. Dia miangavy anareo antanan-droa mba tsy hanao be marenina na hatoky tena toy ny antsy be zara.

.
2.Anisan’ny zavatra maika ny fampanjakana ny rariny sy ny hitsiny, indrindra eo amin’ny sehatry ny fitsaràna sy ny fiahiana ny fandriam-pahalemana. Aoka ho tsaroana fa tsy hisy ny fandriam-pahalemana vanona raha tsy ampanjakaina ny rariny sy hitsiny, hoy ny Papa Joany Paoly II.

.
3.Ampiharina ny mangarahara amin’ny fitrandrahana ireo harena an-kibon’ny tany, ary tsinjovina mandrakariva ny soa iombonana sy ny hasina maha-olona raha misy fanapahan-kevitra goavana momba izany. Amin’izany, dia ilaina ny hanendrena ireo solontenan’ny sokajin’olona sasantsasany ao anatin’ireny vondrona manadihady ny fiantraikan’ny fitrandrahana eo amin’ny tontolo iainana. Nanamafy an’izany ny Papa François ao amin’ny Ansiklika (Laudato si) nosoratany momba ny fiarovana ny tontolo iainana, 2015).

Izany no hatao dia ny mba hisorohana ny kiantranontrano na ny kolikoly eo amin’ ny fanomezan-dàlana ho an’ireo mpitrandraka.

.
4.Beazina amin’ny tena demokrasia manaja ny soa toavina sy ny hasina maha-olona ny olom-pirenena (cf. Joany Paoly II, Centesimus annus, 1991), ka tsy tokony hisy fangejàna ny fahafahana maneho hevitra, indrindra raha mahasoa ny firenena.
Eto am-pamaranana, tsara ny mampahafantatra fa ny Fivondronam-ben’ny Eveka dia mbola hanohy izao fanambaràna izao.

.
Koa mankahery ny vahoaka sy ireo olona tsara sitra-po rehetra amin’ny ezaka ataony hijoroana amin’ny fahamarinana ny Vaomieran’ny Eveka momba ny Rariny sy ny Fandriam-pahalemana ary mitondra am-bavaka ny firenena sy ireo mpitondra mba ho afaka hanao dingana mankany amin’ny fampanjakana ny rariny, ny fandriam-pahalemana ary ny fanajàna ny zon’olombelona isika rehetra.

.
Antananarivo, 15 Jolay 2016
Monseigneur Roger Victor RAKOTONDRAJAO
Président de la Commission Episcopale Justice et Paix.

P. Jean Germain RAJOELISON
Secrétaire Général.

Nantenaina Herimalala Jean Romaric EKAR-Fiangonana Katolika

 

Resaka nifanaovana tamin’i Mgr Rakotondrajao Roger Victor Solo, evekan’i Mahajanga, mpiahy ny vaomieran’ny « Justice et paix » nasionaly sy ny fonja mikasika ny tany ao Soamahamanina.

Lahatsoratra nivoaka tao amin’ny Lakroan’i Madagasikara laharana 3979, pejy faha-12.

-Tany Soamahamanina ianao, misy ny olan-tany. Inona no azonao ambara ?

Ny fiahiana ny rehetra mahakasika ny rariny sy ny marina no antony nandehanako tany Soamahamanina, araka ny andraikitra nankinin’ny Fivondronamben’ny eveka eto Madagasikara amiko. Nirotsahana mivantana ity an’i Soamahamanina ity satria efa mitozo loatra ny raharaha. Betsaka tokoa manko ankehitriny ny toerana an-dalana na heverina hotrandrahina eran’i Madagasikara. Eo anatrehan’izany, tsy maintsy mijery aloha ny Fiangonana.
Voalohany, araka ny voalazan’ny bokin’ny Jenezy : nomen’Andriamanitra ny olombelona rehetra ny harena manontolo, mba hahasambatra azy sy hampiadana azy. Notsiahivin’ny Papa ao amin’ny antsikilika « Laudato sii » ny amin’izay. Ary notenenin’i Mgr Jean Claude evekan’i Miarinarivo koa. Faharoa, araka ny fampianaran’i Jesoa : tsy maintsy tsinjovina ny olona iray manontolo : vatana, saina, fanahy. Tafiditra ao anatin’izany ny kolontsaina. Ary fahatelo, araka ny fampianaran’i Jesoa ihany : isika tsy eo ambanin’ny Lalàna intsony fa eo ambanin’ny fitiavana ny olombelona sy Andriamanitra.

– Ahoana ny ifandraisan’izany amin’ny any Soamahamanina ?

Hita fa misy lafin-javatra tsy voajery amin’ireo lafiny telo ireo, raha ny tany Soamahamanina no tomorina. Marina fa nisy ny komitin’olon-kendry na « comité des sages » natsangana mba haha ara-dalàna ilay fitrandrahana. Fa be ny lesoka hita amin’ny anaran’ny olona nandrafitra azy io. Misy ny olona tsy mipetraka any intsony fa any Antananarivo. Misy ny olona niditra ao: nanaiky handray saosy kely, noho ny fahantrana amin’izao fotoana izao. Zo amin’ny maha olom-pirenena ny miditra ho isan’ny komitin’olon-kendry. Fa raha amin’ny anaran’ny Fiangonana no nidirany ao, dia tsy maintsy ho ny eveka tompon-toerana no nanendry azy. Fa tsy nanendry an’izay i Mgr Jean Claude. Olona vitsivitsy no namorona azy ary nanao izay hampaneken’ny Fanjakana ny famoronana azy. Anisan’ny lesoka eto amintsika koa izay fampanekena izay, na am-pitaka io, na arahim-pandrahonana, na noho ny fizaram-bola. Ny isan-tanàna anefa no mahalala izay heveriny fa afa-kiaro ny tombontsoany.

– Ny Fiangonana izany no ianteherany ?

Natao hiaro ny vahoaka amin’izay famitahana azy izay ny Fiangonana. Ireo vahoaka ireo, tsy sahy miteny afa-tsy amin’izay itokisany sy azony antoka fa hahatafita ny resaka ataony. Mpitondra ny feon’izy ireo ny Fiangonana. Izay rahateo no niseho tany amin’ny faritra hafa : tsy ireo vahoaka ireo fa olon-kafa no niteny, nilaza fa tsy mety izy ity, ho simba izy ity. Ankoatran’izay, fantatra anie fa tsy misy tany malalaka hahafahan’ireo vahoaka ireo mifindra monina intsony e : hatreo Arivonimamo ka hatrany Analavory any. Tsy maintsy ho any andrefan’i Tsiroanomandidy ka hatrany Maintirano any no halehany. Voaomana ny amin’izany ve ireo olona ireo : handao ny lovany sy ny tanin’ny razany, izay sarotra ho an’ny Malagasy ? Voaomana koa ve ny sekoly hianaran-janany, izay mora tadiavina eo amin’ny tontolo misy azy ankehitriny ? Ho zary hipetra-potsiny eo ny trano fiangonana raha tsy misy vita batemy hiangona ao. Fa ankoatran’izany rehetra izany, tsy maintsy jerena koa ny amin’ny tontolo iainana. Sao dia main’ny vola fotsiny. Ary mankaiza ilay vola ? Ho an’iza ? Sao dia sanatria hampanan-karena olona vitsivitsy fotsiny fa hampahantra olon-kafa, eto an-tanin-drazany ? Tsy maintsy hanova ny olona manodidina sisa tafapetraka ihany koa ity raharaha mahakasika tany mirefy 21.000km toradroa ity. Mety hisy fifandonan-kolontsaina amin’ireo Sinoa hipetraka eo. Sao sanatria hifamono toy ny tany Ankijomby, any Soalala, noho ny kolontsain’ireto Sinoa afa-mihinana ka nampihinana henan’alika. Nanahirana ny nandamina izay.

– Inona àry no hatao eo anatrehan’ny tranga manahirana any Soamahamanina ?

Ny rariny sy ny hitsiny no tadiavin’ny Fiangonana. Natao hanairana ny fitondram-panjakana mba hijereny akaiky ny amin’ny trangam-pitrandrahana hafa ny any Soamahamanina, mba hialana ny olana toy izao. Noho izany, ndeha hanao latabatra boribory: hiantsoana ny tompon’andraikitra mahalala izay tokony hatao. Misy lafiny tekinika tsy maintsy hojerena akaiky amin’izany. Inona no hotrandrahina ? Mankaiza ny vola ? Mety ve izany ? Inona no homanina ? Ahoana ny hanomanana azy ? Inona ny hevitr’ireo olona tompon’ny tany voakasiky ny tany hotrandrahina ? Hatao ahoana ireo olona ireo ? Tsy mety ny hoe izay hahazoana vola dia mety. Na ny mpangalatra aza manko manao toy izany koa.
Marihiko fa samy nanao ny hataony ireo depioten’Itasy. Nisy ny nanao izay tsy hanombohan’izy io tany am-boalohany. Misy ny naneho ny heviny fa hitondra ny feom-bahoaka, tamin’ny fivoriana niaraha-nanao. Nisy ny nihetsika mangina tany ambadika tany fa ninia tsy niseho, noho izy tsy maintsy nanaraka ny hevitry ny Antoko misy azy. Ny zava-dehibe dia ny fahaizan’ny mpitantana ankehitriny maka lesona amin’ny teo aloha. Izay tsy mety amin’ny nataon’ny teo aloha, tsy averina. Izay mety kosa, tazonina sy tohizina.

– Tsy miditra amin’ny politika ve ny Fiangonana amin’ity raharaha ity ?

Ny politika ho an’ny Fiangonana katolika dia fanasoavam-bahoaka, rafitra hanasoavana ny fiainana na sosialim-bahoaka izay anjaran’ny lahika. Ka tsy mety raha ny eveka sy ny pretra no mandeha manao politika, mba tsy hampifangaro ny Fiangonana sy ny Fanjakana. Samy manana ny asany manko ireo. Ny Fiangonana amin’ny maha jiro manilo isan’andro azy, dia natao hiteny hoe: « mety io Raolona, tsy mety ity Raolona ». Fa anjaran’ny lahika vita batemy ny manao ny politika: miditra amin’ny fitantanana hanasoavam-bahoaka, amin’ny fahaizany sy fahalalany ary ny maha izy azy. Anjarany ny mahita izay azo atao rehefa mahita ny mety sy ny tsy mety. Ny fianam-panahy kosa: anjaran’i Mompera. Ary izahay dia mamporisika ny lahika mba handray an-tanana ny adidiny hanasoavana ny olona sy ny firenena. Fantatra ohatra fa tsy maintsy hitady ny tombony ho azy ny mpitrandraka. Fa adidin’ny mpitondra kosa ny miady mba hampitombo ny tahan’ny vola miditra ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana sy ny tamberim-bidy miverina any amin’ny vahoaka ifotony. Tsy mety raha mifanambaka.

– Inona àry no atao manoloana ny fahantrana lalina ankehitriny sy ny kolikoly mihanaka hatrany ambany ka hatrany ambony ?

Ny tena olana tokoa amin’izao fotoana izao, dia mahantra ny
olona. Tadidio anefa fa raha vao be dia be ny mahantra dia tsy maintsy misy halatra. Tsikaritray ohatra fa mitombo be amin’izao ny olona miditra am-ponja. Ny tena mahatafiditra ao anefa tsy heloka bevava fa hala-botry: hala-bomanga kely, hala-boasary kely. Ka anjaran’ny Fanjakana ny laminasa tena hiadiana amin’io fahantrana io. Ny vokatr’izay ihany koa dia ny resaka risoriso, izay mihanaka hatraiza hatraiza: hatrany ambony ka hatrany ambany, hatrany am-ponja aza. Ka inona no politikam-panjakana mba handravana ny risoriso amin’ny fanomezana lalana hitrandraka harena an-kibon’ny tany ? Eo ny Bianco, fa voafetra ihany izy : misy zavatra tsy azony kitihina. Ny amin’ny fitsinjovana ny taranaka momba ny politikam-pitrandrahana indray dia miankina tanteraka amin’ny politikam-panjakana. Anjarany ny mamaritra hoe ny inona no hotrandrahina ? Ny faharetan’ny fitrandrahana ? Ary hanovana inona sy inona ?

Mgr Rakotondrajao Roger Victor Solo

Mgr Rakotondrajao Roger Victor Solo

justice_corruption

Advertisements

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s