« Arabo hanorom-ponenana ao Betroka ! ! ! », P. Raharimanana (Sobika).

Inquietude des puissants

Distrikan’ i Betroka: Kilatany misy Arabo

Nanaitra ireo mponina aty amin’ny distrikan’i Betroka ny fahitana ireo teratany arabo miisa 10 mirahalahy izay miorim-ponenana aty an-toerana. Tamin’ny vanim-potoana nanombohan’ny volana ramadany no fantatra fa nahatongavan’izy ireo taty an-toerana.

Tsy misy mahay miteny malagasy izy ireo fa mpandika teny roa no miara-dia aminy.

Hatramin’izao dia tsy mbola fantatra na olona mizaha tany na hivarotra na hitrandraka harena ankibon’ny tany izay betsaka aty an-toerana ireto Arabo ireto na tonga aty Betroka noho ny antony hafa tanteraka mihitsy.

Manoloana ny zava-misy any Soamahamanina sy ny tany amin’ny faritr’I Sofia iny dia lasa saina ihany ny mponina aty Betroka ny amin’ireto Arabo ireto.
Sa ve olona te hisintaka ny renivohitra fotsiny dia mipetraka aty ambanivohitra be aty dia inona no antony?

Ny mpitondra fanjakana malagasy dia tsy mitsahatra ny miantso mpamatsy vola hampiasa ny volany eto Madagasikara izay tsy misy maharatsy azy saingy ny olana mipetraka dia ny lalàna eto amintsika izay manome vahana be loatra ireny mpampiasa vola ireny amin’ny fitrandrahana ny tany ka lasa manahiran-tsaina sy maha-resy tondro maso ny Malagasy tompon-tanidrazana.

Ho an’ity tranga eto Betroka ity dia tompo-trano mihono ny mponina na dia te hahalala ny momba ireto Arabo ireto aza.

Ny Solombavambahoaka aty an-toerana Randrianasolo Jean Nicolas moa dia marihina fa silamo ny finoany ka tsy vitsy no mihevitra fa mety ho vahininy ireto Arabo ireto.

(Sary Sobika Betroka)

Teratany vahiny arabo handeha hivavaka

www.sobikamada.com

L'Islam

Betroka

Betroka

Advertisements

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s