« Izaho tsy hangina », Mamitiana Randrianarison.

 

IZAHO TSY HANGINA

 

Izaho tsy hangina…
Raha mbola mitoetra
Ny fomba amboletra…
Tsindry hazolena…
Na hoe famefena…
Faneriterena…
Ny vavako hiteny…

Izaho tsy hangina
Raha misy eto..,
Zava-tsy mety
Atao amy gasy
Terena hihafy…
Ambanana basy
Ka hangasihasy

Izaho tsy hangina
Raha ohatra eto
Izay fireneko…
No misy filoha
Miliba tokoa…
Namela sinoa
Dia hangalatra koa

Izaho tsy hangina
Raha mbola hibahana
Sy hahazo vahana
Ry donto mpidaroka
Tandapa mpandalotra
Ry malama molotra
Be tsolotsolotra…

Izaho tsy hangina
Raha mbola manjaka
Sy mahazo laka
Ry Kotomaditra
Ry Betatasiaka
Ireo zatra nandritra
nanjanaka antsika

Izaho tsy hangina
Raha mbola mitoetra
Eo izy rehetra…
Ireo hita taratra
zatra nangalatra
naka malalaka
Tsisy arakaraka

Izaho tsy hangina
Raha toa eo foana
Ry Rabenahoana
Sy ny havany rehetra
Mpanao herisetra
Ry Bemarolafy
Ry Bemananasy
Miseho azy ho iza
Ary manivaiva…

Dia izaho tsy hangina
Fa mbola hanakiana

NARY. Mamitiana Randrianarison
19/07/2016

Photo de Mamitiana Randrianarison.
Photo de Mamitiana Randrianarison.
Photo de Mamitiana Randrianarison.
Photo de Mamitiana Randrianarison.
Photo de Mamitiana Randrianarison.
 Un héros
Au marché ROBERT FERNIER (1895-1977)
Sarisary Politika

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s