« Mpitondra tia tena… », Rivo Albert (Mcm-Tanà).

scandale

.

Zao no atao hoe mpitondra tia tena . . .

Ny vahoaka sy ny firenena miha-mahantra, ireo mpitondra tsy mahalala afatsy ny tombontsoany manokana. Gaga ihany ny tena raha nahita an’ity lahatsoratra tamin’ny gazety ity fa hay kay efa namoaka didy mangingina tany ity fitondrana Rajao ity fa tafiditra ao anatin’ireo sokajin’olona tsy mandoa haba rehefa manafatra na manondrana entana any ivelany ireo parlemantera eto amitsika, izany hoe ireo depiote sy loholona.

Asa hoe inona tokoa no tena antony namoahana izany didy izany? Tombotsoan’ny vahoaka ve sa tombotsoan’ny firenena? Na mpianatra vao manala BEPC amin’izao aza angamba mahafantatra fa tombotsoa manokana ho an’ireo mpitondra no tena nandraisana izany fanapahakevitra izany.

Maninona moa no hoe tsy mandoa haba rehefa manondrana na manafatra entana any ivelany? Tsy mahagaga satria saika ny ankamaroan’Izy ireo dia saika mpandraharaha avokoa, indrindra fa ireo depiote, ka manamora ny “business” ataony ity didy navoakan’ny fitondram-panjakana mangingina ity. Na ireo mbola tsy tafiditra ao anatin’izany fandraharaharana izany aza tsy maintsy hanao bizina koa satria efa nomena tombony lehibe.

Iiska vahoaka na mahantra tahak’inona aza tsy maintsy mandoa an’izao karazana hetra rehetra izao fa ry zareo mpitondra dia vao maika atao izay hampanan-karena azy ireo ao anatin’ny fotoana fohy.

Maharante JDD

13178628_1280548621975344_3699834148392461326_n

scandale

Advertisements

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s