« Jadona… ? », Mamitiana Randrianarison.

Halte à la dictature

JADONA…?!?

 

Fofoina mihitsy mihitsy ve ny marina rehetra?
Dontoina mihitsy koa ve ny sain’ny malagasy?
Loloina koa indrisy ve na hamaharan-jeka?
Lokoina mba hampety ny maso mananasy

Rahonana ihany koa ve izay minia miteny?
Hitsiana ankitsirano koa ny efa noraketina
Fafàna mihitsy koa ve izay nifanekena?
Fidinana an-kianja ve no tiana ampirehetana?

Varotana mihitsy ve i Madagasikara e?
Tolorana ireo manana, mbamin-dreo vahiny
Votsorana avokoa ve izany ireo tsy valahara e?
Omena fahalalahana hanao izay rehetra tiany

Fohanana mihitsy ve izay tara-pandrosoana?
Lazaina fa efa tsara hoe ny fomba fitantanana
Dokafana ihany koa na mpivarotra rongony?
Faranana mihitsy izay rehetra fanakianana

Gejaina ihany koa ve ny marina hangina?
Somparana mihitsy izay tsy mitovy gadona?
Fokaina sy latsaina…. Anaovana izay tiana
Fonjaina mihitsy mihitsy mba hahalalany jadona?

NARY. Mamitiana Randrianarison.

21/07/2016

Soamahamanina tanana a Emmoreg 20 Juillet Miaro sinoa 5

Emmoreg 20 Juillet Miaro sinoa 3 Emmoreg 20 Juillet Miaro sinoa 4

 Bac 2016

Ministra gasy sy ambasadaoro sinoa

cybercriminalité

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s