« Bevohoka tsy manambady », Raveloaritiana Mamisoa.

 

Bevohoka tsy manambady.

 

Tena mafy izany hoe bevohoka tsy manambady.
Misedra olana goavana, ao anaty ady.
Lasa ambetin-dresak’izy mianakavy.
Fa hoe zaza maditra, potika ny hoavy.

Tena mafy, mila tsy hay zakaina.
Isan’andro lava, toa miferitraina.
Manampy trotraka ny vavambahoaka.
Mampitomany, toa mampite hitsoaka.

Miady mafy, isan’andro lava izao.
Mandresy lahatra ny rain-janakao.
Indrisy, hadalana hono ny anao ka zakao.
Fa tsy zanany hono ny ao an-kibonao.

Hadalana tokoa, zakaina izay natao.
Mila mitràka, tsy mila mitalaho.
Aza miraharaha izay fosafosa sy fanaratsiana.
Soloy fanantenana izay mety ho fanakiviana

Ny zanaka ao an-kibo no andeha jerena.
Mahereza hatrany, ampifalio ny tena.
Fa fahasoavana avy amin’ny Tompo izany.
Ho fahasambarana ho anao, ety an-tany

Rano raraka, tsy azo raofina intsony.
Ny hoavy no banjino, matokia ny ao Ambony.
Izy mbola manana drafitra tsara ho anao.
Mbola hody fifaliana ny ranomasonao

Raveloaritiana Mamisoa

25 Jolay 2016.

Fianarantsoa. Ph Benoit Feron.

lamba 3

humain tt simplement

Mamy ny any aminay village de soamanana. Ph TI Tinoetiala

Advertisements

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s