« Lasa » . Ho an’ireo nilaozan’ny olona nametrahany fitokisana, Christiane Ramian.

Lasa

 

Mandehana ianao fa horariako soa
Jereo ny lalanao fa aza miasa loha
Ny amiko dia ahy, safidy ny anao,
Aza miahiahy fa ny fiainanao atao

Ny lalana nizorana indro fa nisampana
Akanga nanamborana he miampanampana
Saingy ho manakambo hiezaka hitraka,
Hitsabo ity atambo, tsy hiambakavaka

Aza mierika akory, f’izaho efa nahafoy,
Ny masoko kamory, mety mbola hijoy
Fa ho avy ny maraina, hiarina ny lohako
Hahery ndray ny saina, hafa no ifantohako

Ny lasa nitambarana fotoana very ireny
Ianao niala andaharana, tsy niteniteny
Nahita raha manjelatra tsy nahatana lamba
Endrey naniry elatra, lasa tsy nihambahamba

Lasa

© Christiane Ramian

21/07/2016.

ceux abandonnés

Flickrhivermind 12

Flickrhivermind 10

Advertisements

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s