« Misasaka ny « mandat? », inona no vita? », « Fitondrana hafahafa », Rivo Albert (Mcm-Tanà).

 

Misasaka ny « mandat? », inona no vita?

Lohateny lehibe tamin’ny gazetin’ny mpanolotsain’ny filoham-pirenena tamin’ny faran’ny herinamdro teo ny hoe « Hery Rajaonarimampianina à mi-mandat ». Rehefa nahita an’izany lohateny lehibe izany tokoa ny tena dia nieritreritra hoe mba inona tokoa moa izay no zava-bitan’ity rangahy ity tao anatin’izay 2 taona sy tapany izay?
Ny valiny angamba dia hiarahan’ny rehetra mahita, ny vidim-piainana miha miakatra kanefa ny fahefam-bidin’ny Malagasy mitontongana hatrany, ny tanindrazana tapitra homena ny sinoa sy karana, ny harem-pirenena tsy mitsahatra ny miondrana an-tsokosoko any ivelany, Manjaka ny famitaham-bahoaka sy ny fanitsakitsahana lalam-panorenana, Voadaroka Lacrymogene daholo izay rehetra maneho hevitra an-dalambe hatramin’ireo miady ho any tanindrazana, tsy resahana intsony ny resaka tsy fandriam-pahalemana, ny adalana ataon’ny olona akaiky amin’ny mpitondra ao an-dapa sy ny fianakaviany. Azo antoka fa mbola ho tahaka izay ihany koa ao anatin’ny roa taona sy tapany hatramin’ny 2018.
Mahareta hatramin’ny farany ary isika raha toa ka….

Fitondrana hafahafa . . .

Tato anatin’ny volana vitsy izay dia betsaka ny olom-pirenena no milaza fa misy zavatra hafahafa mihitsy amin’ity fitondrana Rajao ity. Ny antony, dia betsaka loatra ny faty olona etsy sy eroa ary tsy de fahita loatra teto amin’ny firenena.

Vao nanomboka fotsiny ny fianianana nataon’i Rajao teo Mahamasina ny 25 janoary 2014, tsy ho tanisaina daholo fa niarahan’ny rehetra nahita ny vonoan’olona sy faty olona nisy tao anatin’izay 2 taona sy tapany izay. Ao ny matin’ny lozam-pifamohivozina, ny kidnapping, ny veli boiron, ny asan-dahalo, ny baomba sy grenady mipoaka etsy sy eroa, ny loza etsy sy eroa e! Ny faran’ny teo moa dia ny hain-trano mahatsiravina izay niseho tany Ikalamavony ary nahafatesana olona 38 be izao.

Fitondrana lian-dra ka mila sorona hoy ny sasany . . . Manampy trotraka izany ny fitiavan’ity fitondrana ity manao ratsy. Mampieritreritra ihany a!

cenit et lui
Intelo

Jean-Luce Randriamihoatra

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s