« Ny safidiko », Nitiah Nosy.

 

NY SAFIDIKO…

 

Ny tiako tsy ho tianao,
ny tianao tsy ho tiako!
Ka atsaharo dieny izao,
ny manaratsy ‘zay fidiko!

Ny meva amiko ihany koa,
tsy ho kanto aminao!
K’aza hamakiana loha,
izay nandrian’ny foko tao!

F’izay sondeda aminao,
mety ho tsara raha jineriko!
K’ovay ny fomba sy fanao,
manatsatso ny tanteliko!

Soran-jadiana ny fitia,
samy manana ny tiana!
Raha iny ve no hakako fy,
dia esoina sy haratsiana?

Ho sasa-poana tsotra izao
manamavo ny safidiko!
Tompoy any ny hevitrao,
ny « ahy » mainka hofihiniko!

Nitiah Nosy

25/07/2016.

fruits gasy

Flickrhivermind

Flickrhivermind

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article a été publié dans Non classé. Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s