« Matoa… miala teo fa leo zahay » Nitiah Nosy.

 

Matoa…

Matoa ‘zahay te hitroatra,
dia efa tena tafahoatra,
tsy ara-drariny intsony,
ka zary mahalonilony:
ny toe-javatra miseho,
Noho ny hafetsenareo!

Matoa ny teny moramora,
no nivadika ho « akora »:
‘nareo tsy laitranay tenenina;
mody « gisa », be marenina,
toa miresaka amin’ny moana,
na miantso an-tany foana!

Matoa ‘zahay tsy te handre,
‘reo toky lasa resabe;
dia efa iaraha-mahalala,
‘hay ny anay hadalana:
ity fomba mora roboka,
miantsampy an-kazo boboka!

Matoa ‘zahay milaza leo,
izato fitondranareo;
hay ‘nareo tsy misy hapoaka,
fa mpamitaka vahoaka;
nanao anay mpisava lalana,
ary ho tohatra fiakarana!

Matoa ‘zahay izao tsy tony,
efa tsy mahandry intsony:
te hikiakiaka mafy izany,
hoe: « Mandehana miala tany »!
Dia efa feno ilay kapoaka,
mangidy sy mafaitra loatra!

Ka ho anareo senatera,
Minisitra miveravera;
depiote « aotra valera »,
sy filoha mandany lera!

Tsotra izao ny teninay,
sao ataonay mahamay
fa efa tena ampy izay,
« Miala teo fa leo ‘zahay! »
Ry fitondrana tsy mahay
Efa mampihinan…diky

Nitiah Nosy

26/07/2016.

Rajao tsy mahomby

sinoa tanindrazanay malala o

SC Art

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s