« Zanahary tokana », Christiane Ramian.

Zanahary Tokana

 

Maloka sy mangingina,
Hendratra sy maina sina
Hetraketraky ny adala,
Namoizana malala…

Valifaty fankahalàna,
Tsy voafehin’ny lalàna,
Fo maloto diso lalana,
Nivily ka tsy voasakana

Erantany be ny maty,
Nohon’ny vola, valifaty
Ady tany sy harena,
Nohon’ny fitiavantena,

Fotoana mety ngamba izao
Hiheverana izao tontolo izao,
Hanatsaharana ireo ady,
Ny basy rehetra asolo angady

Atsahatra ny fanavahana,
Ny antokotokompivavahana,
Ny tetika hampisara-bazana,
Namotika ny tanindrazana.

Tokana ilay Zanahary,
Andriamanitra Nahary,
Tsy mila boky na ady hevitra,
Tsy mila rindrina hanefitra,

Ampy Izy tsy ampiana
N’aiza n’aiza fihaviana
Ny ankoatr’izay fizarana,
Fangalaram-pahefana.

Zary mpilalao fanahy,
Mikolokolo ny ahiahy,
Mampahantra toetsaina,
Tsy menatra mandatsak’aina.

 

Zanahary Tokana

© Christiane Ramian

26/07/2016.

ZA

Zanahary

Zanahary Means God, Madagascar

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s