« Governemanta mpitsangatsangana . . . », Rivo Albert (Mcm-Tanà).

Governemanta mpitsangatsangana . . .

Tena mpitondra ve no hiantsoana ireto mpikambana ao anatin’ny governemanta ireto sa dia tena inona? Aiza ve ka isaky ny manao filankevitry ny governemanta na filankevitry ny minisitra dia tsy misy afatsy fandinihana ny fandraisan’i Madagasikara anjara amin’ny atrik’asa iraisam-pirenena any Ivelany no ho atao vaindohan-draharaha eto. Ny fivoahana any an-dafy no tena laharam-pamehana ho an’ity « gouvernement de combat » ity fa tsy ny famahana ny olana hiainan’ny vahoaka amin’ny andavan’andro.

Tsy mba voaresaka ao anatin’izany filankevitry ny governemanta na Minisitra izany mihitsy ny fahoriam-bahoaka fa resaka fivoahana any an-dafy foana . Asa hoe nitondra inona ho an’ny firenena ny fivoahanan’ireo mpitondra any ivelany! Fandaniam-bolam-bahoaka fahatany fotsiny. Rehefa tsy izay no dinihana dia ny fanendrena tompon’andraikim-panjakana ambony. Isaky ny herinandro dia olona am-polona foana no voatendry handeha, asa tsy mahantra marina ve isika satria manam-bola hiantohana izao olona rehetra izao.

Zany angamba no hitan’ny mpitondra fa hanatsara ny fiainam-bahoaka. Izany angamba no dikan’ilay hoe « gouvernement de combat » amin’ny Rajao sy Mahafaly Olivier.

Advertisements

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s