Mpivarotra toaka ankalamanjana, Analakely, Tsaralalana. Fisavana fiara karetsaka tsy ara-dalàna.

 CUA - Antananarivo.

FANALANA MPIVAROTRA TOAKA ANKALAMANJANA SY FISAVANA FIARA

 

Nidina tampoka nanaisotra mpivarotra toaka sady nanatanteraka fisavàna fiara mpitatitra (fiaraketsaka sy Taxi-brousse) ny ekipa avy amin’ny Fiadidiana ny Tananan’Antananarivo ny marainan’ny sabotsy lasa teo, nanomboka tamin’ny 4 ora. Nitarika izany ny Lefitra Voalohan’ny Ben’ny Tanàna Jean Gabriel Harison.

Mbola maro ihany ireo mpivarotra toaka ankalamanjana no sarona teo Analakely sy Tsaralalana, na teo aza ny fampiomanana sy fampitandremana efa natao. Noraofina avy hatrany ny entam-barotra sy latabatra nampiasaina. Mbola nomena fampitandremana farany izy ireny. Nanambara ny tomponandraikitra fa tsy hilefitra intsony ary hihamafy hatrany ny fisavàna.

Faritra maro kosa no nanatanterahana fisavàna Fiarakaretsaka (Taxi-Ville) sy Taxi-Brousse: Analakely, Mahamasina, Andrefan’Ambohijanahary, Anosibe, Ampefiloha ary Fasan’ny Karana. Taxi-brousse tsy nanara-dalàna telo (3) hihazo an’Antsirabe, miampy fiarakaretsaka roapolo (20) teo no sarona ary naterina avy hatrany teny amin’ny toerana fihibohana (Fourrière) teny Anosipatrana. Antony nanasaziana azy ireo ny niantsonana tamin’ny toerana tsy tokony nanaovana izany, taratasin’ny fiara tsy ara-dalàna, ny loko « beige crème » tsy voahaja, ny « lanterne » tsy manara-penitra, misy ny tsy fetezana eo amin’ny fiara, toy ny jiro tsy mirehitra, « frein à main » tsy mandeha, fitaratra tsy misy, lasantsy tsy mandalo anaty « réservoir », sy ny sisa.

Nankasitrahan’ireo nanatri-maso ny hetsika, indrindra indrindra ireo matianina amin’ny asa fitaterana.
Raha tanteraka hatramin’ny farany izao hetsika izao, hoy izy ireo, dia azo inoana fa hahazo tombontsoa amin’izay ireo mpamily manaraka ny lalàna velona, ary hiroso tsikelikely mankany amin’ny tena fampandrosoana ny Tanàna isika eto an-drenivohitra.
Koa manentana hatrany ny fahatsiarovantenan’ny tsirairay ny tomponandraikitra ny amin’ny tokony hanajana hatrany ny lalàna. Voalaza fa hitohy ny asa fanadiovana, ary sazy henjana no miandry ireo mbola minia mihoa-pefy.

Cua Serasera.

CUA a3 CUA a4

Cua a1 CUA a7

CUA a5 CUA a11

CUA a10 CUA a12

 

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s