« Ny Emmoreg sisa no manohana ny fitondrana HVM », « Saika hiala », Rivo Albert (Mcm-Tanà).

 

Ny EMMO-REG sisa no manohana ny fitondrana HVM

Rehefa tena natao ny fanadiadiana eny rehetra eny, dia hita fa tsy misy intsony ny vahoaka mankasitraka izao fitondran’i Rajao izao. Tsy mba mahita isika na olona iray aza ka mba miaro an’ity fitondrana ity fa samy manakiana sy manaratsy daholo. Raha ny fanirian’ny olona aza diany hahongana eo amin’ny toerany ny filoham-pirenena fa saingy noho ny fahatahorana ireo Beboaty sy Bebasy dia aleo milamina.

Ao anaty Facebook tahaka izao moa dia hita fa ireo olona voakarama mampiasa « compte Anonyme  » ihany no misolelaka am’i Hery sy Voahangy. Ireo mpanao politika moa, tahaka ireo depiote sy senateur dia mazava fa noho ny seza sy ny « malette » no hanohanana an’izao fitondrana HVM izao fa raha miongana eo io filoha io dia tsy misy intsony ny volabe entina miriaria.

Rehefa tena jerena izany dia tsy misy afatsy ny EMMOREG sisa no mitazona izao fitondrana izao eo amin’ny toerany . Manofy ry Rajao sy ny forongony raha mieritreritra fa hisy vahoaka hidina an-dalambe hanohana azy eo raha raikitra ny fanonganana azy eo amin’ny toerany tahaka izay niseho tany Turquie , andro vitsy lasa izay.

Saika hametram-pialana hono i Rajao!

Raha ny tsilan-tsofiny dia saika hametram- pialana hono i Rajao tamin’ny faran’ny herinandro teo fa ny miaramila no tsy nanaiky. Raha ny fantatra, dia saika ny filohan’ny Antenimieran-doholona, Honore Rakotomanana, no namindran’ny filoha ny fahefana araka ny voalaza ao anatin’ny lalam-panorenana.
Iangaviana izay manana vaovao mikasika ity seho iray ity mba hilaza ny tena zava-misy marina!

Florens Emmoreg

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s