« Tia tena daholo », Christiane Ramian.

 

Tia tena daholo

 

Miady mifaninana
Manakana ny sasany
Miady te hihinana
Miaro tsy ho rombahany
Toy ny biby an’ala,
Miremby izay harapany
Samy tsy te-hahalala
Afa-tsy izay ho ambavany

Nefa samy te hilamina,
Mitady fiadanana
Ambony hihamikamina
Hisandratra ho mpanana
Samy te ho mihaja,
Mahalala fomba
Nefa imason’ireo zaza
No mitsikombakomba

Mametsifetsy ny hafa,
Mandavo ny mafy ady
Dia mody mamafamafa
Ny heloka ny alahady
Ny akanjo amin’izay
Madio tsy misy pentina
Ny ao ampo mahamay,
Midedaky ny oentina…

Fanina Andriamanitra,
Ilay lalaovina isanandro,
Mody hijerena lanitra,
Antsoina kianjoanjo
Sandohana ny Teniny
Hifamelezana ho kibay
Dia mody averimberiny
Ny mifona aoka izay…

Miady vola voninahitra,
Miady fiderana,
Toerana tonga lafatra,
Tsy foy hifampizaraina
Jereo ity niafaran’
Ny tany noho izany,
Aza mifanjàna,
Na mody mitomany!

 

Tia tena daholo

Christiane Ramian.

30/07/2016.

Nous gagnons et vous Peuple debout

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s