« Sendra izay adala e », Mamitiana Randrianarison.

 

SENDRA IZAY ADALA E

 

Rinafitra lalàna ny fandraràna hiteny
Finidin’ireo donto tsy dia namaky loatra
Tsy hainy mihitsy mihitsy kanefa dia nekeny
Sendra izay sendrany re ireto vahoaka e

Kinaroka ny lalana mba hahazoana tombony
Minaona ny hanongana filoham-panjakana
vao nahazo toerana, ny vavany nakombony
Niovaova resaka …mody fandokàna

Vinatra nanakiana sy nody be vahaolana
Revo nitanisa ireo rehetra tsy milamina
Hay kay biby mihemotra manoatra fozaorana
Mikepoka mangina kay r’ilay tsy vanona

Dia reseny lahatra isika rehetra rehetra
Hirohatra eny an-kianja…hirotaka handrava
Hay moa kay ilay izy fomba efa voretra
Vao mahazo seza dia miova saro-tava

Rinafitra lalàna ho’aho ny fandraràna hiteny
Tojo solombava tsy ampy betro izay
Fefiky ny olana ho’aho ny fiainam-pirenena
Sendra izay mpitondra tena vendram-pako

NARY, Mamitiana Randrianarison.
02/08/2016

Mamitiana a1

Mamitiana a3 Mamitiana a4

Mamitiana a2 Manja Nosy a1

Mamitiana a5

 

Advertisements

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s