Ankaramalaza, Atsimo Atsinanana… 02/08/2016. Marc sy Lalao Ravalomanana. Sary.

Rajaonarimampianina sy Ravalomanana Tafaraka tany Ankaramalaza

04/08/2016

Tafaraka tany amin’ny Toby Masin’ny FLM tany Ankaramalaza distrikan’i Manakara, ny talata 2 aogositra 2016, nandritra ny fotoam-pamaranana ny jobily fankalazana ny faha-75 taonan’ity Toby Loterana naorin’i Nenilava na i Volahavana Germaine ity, ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina sy ny filoha lefitry ny Fiangonana FJKM Marc Ravalomanana. Samy fanomezam-boninahitra ny Fiangonana Loterana no antony nahatongavan’izy ireo tany.

Nisongadina tamin’ny hafatra nampitain’ny filoha lefitry ny FJKM ny tokony hanajan’ny mpino rehetra ny fitondrana misy eto amintsika ankehitriny sy ny tsy hihatsarahambelatsihy fa samy Kristianina. Nisy moa, araka ny tati-baovao voaray avy any an-toerana, ny vavaka manokana nataon-dRavalomanana Marc ho an’ny firenena malagasy sy ho an’ny filoha Hery Rajaonimampianina manokana. Marihana fa amin’ny volana septambra izao indray ny fihaonana manaraka ho an’ny Fiangonana Loterana any Antsirabe hifidy ny filoha vaovao hanolo toerana an’i  Dr Endor Modeste izay handeha hisotro ronono.

Ntsoavina Evariste

TiaTanindrazana.

Helian Ralison.

Hélian 12

Hélian 9

Hélian 11

Mamonjy Ny Rina 

Tatitry ny dian’i Dada :

Ny Talata 02 Aogositra 2016 lasa teo dia nitsidika ny Toby lehibe FLM ao Ankaramalaza i Dada sy Neny , fotoana nankalazana ny jobily faha 75 taona namohazan’i Jesosy an’i Mama Neny Lava ka nanokanana mpiandry miisa 527 , feno fanetrentena tanteraka izy ary niara nitakosona t@ ireo mpino marobe tany ( mitohy hatrany ny fitetezam-paritra )

Atsimo A 5

Karalalaza 1 Karalalaza 3

karalalaza 4 karalalaza 5

Karalalaza 6 Karalalaza 2

Karalalaza 7 karalalaza 9

karalalaza 10 karalalaza 12

karalalaza 13 karalalaza 14

Lakana Ankaramalaza

Helian Ralison

Fitsidihan’ny Filoha Ravalomanana mivady tany Andranomafana Ifanadiana, Manandroy atsimo, …

Hélian 1

 Hélian 7

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s