« Ny anay », Nitiah Nosy.

 

NY ANAY

 

Haninay ny ampangonay,
fa tsy asianay ahiahy!
Mainty dotran ny kitay,
io no misy: ampy izay!

Tsy manara-toetr’andro:
ny kapa fingotra sy akanjo;
f’ireo no takatray manko,
ka mba entinay mihambo!

Trano bongo teritery,
tokam-baravarankely!
toa tsy mampino velively,
hoe higohanay tantely!

Fa tsihy tokana ihany,
no nandriana dabo-tany:
Kanefa indrisy na izany,
nahazoanay nofy mamy!

Fa ny anay ny tsy fisiana,
tsy laroinay hakiviana!
Izay misy no hifaliana,
sy raisinay ampitsikiana!

Izay eo am-pelantanana,
no hikatsahana fiadanana!
Ka na kely aza no ananana,
dia igohana hasambarana!

Satria ‘zahay na mafy ady,
tsy olon-dresy fa mitady!
Sanatria ny handadilady,
mahatoky ny herin-tsandry!

Nitiah Nosy

04.08/2016.

Malagasy aho

Malagasy aho

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s