« Botry ve ialahy ? », Mamitiana Randrianarison.

 

BOTRY VE IALAHY?

 

Botry mantsy ialahy…?
Mora ampitahorina
Raha misy kitakita
Na resaka tsy vita
Na marina aza ananana

Botry mihitsy ialahy e
Mora ny andaharana
Lamin-dreo maventy
Tena koa mampety
Ny paikan’izy ireo

Botry ialahy ry Bema
Toa bematory lava…
Ialahy ilay mino mihitsy
Fa natao ho an’ny vitsy
Ny harena ety an-tany

Botry lesy ialahy…
Botry mankato…
Ny baikon’Andriamanitra
Fa te hahazo lanitra
Izay mila raki-bola…

Botry ho’aho ialahy
Mionona sy miaritra
F’izareo ao ambadika
Miaina mahafinaritra
Ny habadoan’ialahy

Botribotry saina….?
Fa raha mba tafa ialahy
Toa lanin-drevirevy e
Koa mandevilevy
Ny botry ohatran’ialahy

Botry ve ialahy e…?
No tohatra fihanihan’
Ny ambara ho akolita
Mpilalao politika…
Mandrendrika an’ialahy

Mifohaza tao moa lesy a
F’aza manaiky resy a

NARY. Mamitiana Randrianarison.
11/07/2016

Botry 2 Botry 3

Botry 1 Botry 4

Advertisements

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s