« Miovà », Christiane Ramian.

 

Miovà

 

Fa nahoana kay no dia lazaina foana
Fa feno Ireo devoly eto Madagasikara
Kanefa dia safidy ny mibirioka sy mivoana
Manao tia tia kely sy saina maramara

Lazaina fa ilay ratsy no tsy kely lalana
Nefa ny fitaizana no efa kitoatoa
Kamo sy mpanofy ary mpialangalana
Ny hafa no disoina rehefa tsy mahavoa

Toy ny amboadia mitady izay harapaka
Mody zanakondry mikendrikendry lanitra
Lasa bibidia daholo izay vao mikorapaka
Lazainy ndray avy eo fa nanadino Andriamanitra

Fatoran’ny fiaraha-monina fa tsisy izay satana
Adolam-pivoarana sy ny rendra tsy ho lany
Ny tsy fanarahandalàna ahilika ho fahotana
Dia Ireo nofony malemy no hamotika ny tany

Mihevitr’izy manko fa ny taniny no voalohany
Nino ilay Nazareana sy mpankatô indrindra
Kanefa Ireo hafa ny lalana no eo alohany
Narovany ny taniny hilanto sy hirindra

Fa na hilatsak’eto aza ny anjely marobe
F’isika gasy tsy hiova fa hibizina hifamely
Na hihantra antsika foana ny banky hanome
Hihetry ihany isika tsy hivoatra vdlively

Manandra-tena mafy fa manantsaina ambony
Tia manava-tena, toetry ny mponina Tanosy*
Kanefa gisi-dava tsy tazana intsony
Mpangataka mpivavaka toy ny androrosy

Hamafiso ny lalàna handresy noho ny vola
Io no arofanina hampitovy antsika tantana
Tsy haharesy an’io na kolikoly na angola
Voafehy ny olontsotra sy ny voafidy hitantana

Miovà

*Tanosy: insulaire

Christiane Ramian

Miova

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s