« Raikitra ny ady ao an-dapa ao », Rivo Albert (Mcm-Tanà).

 

Raikitra ny ady ao an-dapa ao

Efa mibaribary fa tsy miafina intsony ankehitriny ny ady eo amin’ireo samy ekipan’ny filoham-pirenena mivady ao an-dapa ao. Araka ny lahatsoratra navoakan’ny gazety iray omaly dia fantatra fa ahilik’ireo akaikin’ny filoha ny mpanolotsaina Mbola Rajaonah izay fantatry ny rehetra amin’ny anarana hoe « Mbola Tafaray ». Raha ny fantatra dia resaka fialonana tsotra zao no anton’ny disadisa satria hono mihetsiketsika eo amin’ny tontolon’ny fandraharahana ary lasa manan-karena be loatra ingahy Mbola Tafaray ka tsy zakan’ny vavon’ireo akaiky ny filoham-pirenena ao an-dapa ao mihitsy.

Ireto farany izay mazava ho azy fa mba te hampitombo ny harenany farak’izay haingana ao anatin’izao fitondrana izao. Izany ny toetsain’ny tan-dapa eto amintsika ry vahoaka Malagasy. Be fialonana noho ny harenan’ny sasany kanefa samy migoka ny harena ao an-dapa ao daholo izy mianakavy. Miandrasa ihany ry Malagasy fa ireo no hitondra fandrosoana haingana sy maharitra ao anatin’ny fotoana fohy.

an dapa

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s