« Impiry izay e… ? » Mamitiana Randrianarison.

 

IMPIRY IZAY E…?

 

Impiry ianao nanangana?
Impiry koa nandrava?
Impiry ianao no mangana?
Saingy mbola tsy misava
Ny aloka manelo anao

Impiry ianao no niady…?
Impiry niova hevitra?
Izao tsy vita akory sahady
Dia efa izao ianao manevika
Te hiova lalana hafa

Impiry izay filoha?
Impiry koa ny antoko?
Teo nitantana avokoa
Ary tena mba niloka
Nefa aiza izao izay vokany?

Impiry no efa ezaka?
Impiry no efa lamina?
Foana hita dia tandrevaka
Nefa hoe dia matihanina
No ao mitondra firenena e

Impiry nifandritaka?
Impiry koa nampihavana?
Firifiry no efa ripaka?
Nefa vitsy no mitavana
Izany rehetra rehetra izany

Ao ambonimbony ao e…

NARY
13/08/2016

‪#‎sary_nindramina‬

ananas0_40749353 Mamitiana aa4

Soamahamanina tanana

Pauvreté et Putschistes

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s