« Feno pasitera… », Mamitiana Randrianarison.

 

FENO PASITERA…

 

Feno pasitera ny tany rehetra rehetra
Feno apostoly etsetra sy ny etsetra
Iry mihogahoga…ery mametra-tanana
Io ry gasy zary vatra ny mivarotra fananana

Fefiky ny hetra sy angona ampahafolo
Feheziny avokoa ny fiainanao tontolo
Iry tsy azo hohanina…eroa mila fadiana
Tsy milalao faty koa na misy fahoriana

Rakotra mpitory sy irony evanjelisitra
Ireo mitety trano sy tsy manaiky gisitra
Hoe afaka manova fiainanao rehetra
hahazo fitahiana hono hatramin’ny poketra

Fefika daholo rehefa zorontany e
Maro ny mandrendrika sy milaza angano
Nisy niova fo e…nahita fahagagàna
Hoe tafita hono e…nandresy fahantrana

Lasa pasitera izao ny gasy manontolo
Nahazo fahitana avy amin’ny Baiboly?
Ry Bena mpanamôly aza ireo mitory ireo
Dia iry nihirahira ry Peta fotsy feo

Feno Pasitera ho’aho izao ny fiaraha-monina
Mahita izao karazana làlana noforonina
Ny aroa mirebareba ny ery misaron-doha
Toa mamon-toriteny ka dia tsy te hifoha

NARY
14/08/2016

Pasitera 1

Pasitera 2 Pasitera 4

‪Nary #‎sary_nindramina‬

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s