« Jamba sy marenina ve isika Malagasy? », Rivo Albert (Mcm-Tanà).

 

Jamba sy marenina ve isika Malagasy?

Tena mahagaga mihitsy ny mbola haneken-tsika vahoaka ny hitondran’ireo HVM ireo ny firenena na dia efa hiarahan’ny rehetra mahita aza izao fidirana anaty kizo lalina izao. Efa ny fiangonana izao ve no milaza, araka ny fanambarana nataon’ny fiombonamben’ny Eveka farany teo fa VOAVIDY VOLA HIVAROTRA TANINDRAZANA ireo mpitondra eto amitsika sy ireo olom-boafidy dia tsy mampihetsika antsika Malagasy izany? Raha ny mpanao gazety mantsy no milaza izany ,na ny mpanao politika dia mety hoy ny sasany hoe fankahalana sy fanaratsiana ny mpitondra fotsiny fa ity efa ireo Eveka mihitsy no manao fanambarana. Tsy resahina intsony ny fitarainana ataon’ireo fikambanan’ny firaisamonim-pirenena maro, ny sendika sy ny olon-tsotra. Fanontaniana lehibe no apetraka foana hoe “Jamba sy marenina ve isika Malagasy?” ary tena resaky ny mona sy marenina izy ty ka tsy mahita sy mahare ny famotehan’ireo mpitondra HVM ireo ny firenena isika? Tahaka ny mitombina ihany ny tenin’ilay ranamana iray izay hoe tratran’ny « Hypnose » ny vahoaka Malagasy ka na manao adalana tahaka ny ahoana aza ny mpitondra dia tsy mihetsika isika mianakavy fa mitaza-potsiny. Raha any amin’ny firenena hafa mantsy efa ela no nihongana ity filoham-pirenena Malagasy iray ity.

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s