« Filoham-pirenena manabado vahoaka… », Rivo Albert (Mcm-Tanà).

 

Filoham-pirenena manabado vahoaka . . .

Mpitondra efa tsy mahavita na inona na inona, mpivarotra tanindrazana, mpiaro ireo tsy maty manota, mpanitsakitsaka lalàna, no mbola mandray ny vahoaka ho bado ihany koa ity Rajao ity. Isaky ny mba miteny dia ventiventesina foana ny hoe « efa nisafidy ny vahoaka tamin’ny 2013 ka miandrasa amin’ny 2018 ». Olona bado tsy mahalala ny atao hoe politika ary tsy mahafantatra ny zava-misy eran-tany no azon’i Hery Rajaonarimampianina amin’izany.

Rehefa hita fa tsy mahavita azy, mamita-bahoaka, manitsakitsaka lalam-panorenana, dia azo atao tsara ny manaisotra azy eo amin’ny toerany fa tsy misy an’izany hoe « miandrasa amin’ny 2018 zany ». Toe-javatra fahita eran-tany izany na any amin’ireo firenena mandroso aza. Jereo ny zava-nitranga tany Brezil, tsy niteny mihitsy i Dilma Rousseff hoe miandrasa amin’ny taona izao na amin’ny taona izao. Ny any ivelany koa moa mahay manetri-tena ny mpitondra rehefa hita fa tsy mahavita azy, na mametra-pialana, na manao fifidianana mialohan’ny fotoana fa tsy miziriziry hijanona eo amin’io fahefana io. Afaka raisina ohatra akaiky ny zava-nisy tatsy amin’ny Nosy Seychelle.

Rivo Albert Filoha manabadoJean-Luce Randriamihoatra

Rivo Albert, logo

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s