« Mafy ady ! », Nitiah Nosy.

 

Mafy ady!

 

Mba mahalasa ny fisainana,
ity hasarotry ny fiainana:
ny anana in-droa mitango,
no efa tsy azon’ari(ary) zato!

Ny hena tsy lazaina intsony,
tsy takatry ny oriory!
Hany ka mampionon-tena,
amin-drony tsisy hena!

Tsy homam-bary koa matetika,
fa nanao manga(ha)zo tetika!
Izay misy dia harapaka,
sao tsy hahita ka hihahaka!

Raha ny saribao indray,
efa nasolonay kitay!
K’izay hamaintin’ny vilany,
dia hodian-tsy hita izany!

Toa nofy izany hoe tafita,
« CEPE » dia ‘zay no vita!
Indrisy fa na te hanohy,
tsy ampy vatsy dia mamoy e!

Dia toy izay sy toy izay,
ny hamafin’ny adinay!
Mba rahoviana ny sahirana,
vao hahita ny mangirana?

Nitiah Nosy

20 Août 2016.

Sud 3 Dadanay Nitiah Nosy

Nitiah Nosy Poeta 1

Advertisements

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s