Aiza ny vola vidina « Bois de Rose » tany Singapour? Rivo Albert (Mcm-Tanà).

 

Aiza ny vola vidina « Bois de Rose » tany Singapour?

Niteraka resabe tato anatin’ny volana maromaro ny raharaham-pitsarana momba ireo bolabolana Bois de Rose miisa 3 alina izay naondrana tany Singapour tamin’ny fiandohan’ny taona 2014. Raha ny vaovao farany dia fantatra fa afaka madiodio ilay orinasa Singapourianina nividy sy nitondra ireo bolabolana Bois de Rose ireo satria nijoro vavolom-belona mihitsy i Anthelme Raparany izay ny minisitry ny tontolo iainana tamin’ny fotoananivoahan’ireo Andramena ireo fa ara-dalana daholo ny nividianana ireo Hazo sarobidy ireo.

Ny fanontaniana mipetraka ary tokony tena ho sarotiny isika vahoaka izay tompon’ny harena dia ny hoe : AIZA NY VOLA NAMAROTANA IREO BOIS DE ROSE IREO? Azo antoko mantsy fa tsy nomena maimaimpoana ho an’ny Singapourianina ireo Hazo sarobidy miisa 3 alina ireo.

Raha ny kajikajy nataon’ireo manam-pahaizana dia mahatratra an-jatony tapitrisa dolara ny vidin’ireo Andramena naondrana any Singapour ireo kanefa nanakaiza daholo izany vola izany? Inona no tokony mbola hiandrandrana ny famatsiam-bola FEC avy amin’ny FMI kanefa raha 43 tapitrisa dolara izany tsy ampy am-pafirin’ny vidin’ireo bolabolana Andramena 3 alina ireo. Mba nisy vokatra taty amin’ny vahoaka ve izany?

Izany rehetra izany dia mila jerena sy arahina akaiky fa tena efa fanjakan’ny Mafia no misy eto !

Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s