« Miverena Malagasy », Tsima.

Lahatsoratra nosoratan’i Herilantonirina Rakotondratsima via Tantelinirina Mamisoa   » MIVERENA MALAGASY « 
.
Part 1 :
Tany iray, vahoaka iray, fijery samy hafa fomba samy manana ny azy, finoana mizarazara. Nefa ny tanjona tokana; dia ny handroso. Hatreto aloha dia miala tsiny aminareo ny tenako, fa io tsiny io mantsy hono, maivana sy mavesatra ihany, koa na ireo ntaolo taloha aza mitanisa azy alohan’ny andraisany teny, tsy mora mantsy ny mitetika. Koa izay no hialako tsiny mialoha aminareo, alohan’ny hitenenako.
.
Part 2 :
Mahita ny famiram-pirantan’ireto vita vahiny, dia tsy mijery intsony ny maha Malagasy ny Malagasy. Fa ny Malagasy tsy nahalala fandrosona raha tsy ny vahiny ? Tsia tompoko ! Nandroso lavitra noho ireo ny razantsika, olona nandroso izy ireny satria nanana ny fiteny manokana, nahay nanome anarana, nahay nifanakalo hevitra, tsy nampianarina ny kabary. Izay nolovain-tsika aty aoriana.
.
Part 3 :
Fisaorana lehibe no atolotra azy ireo, ary isaorana manokana i Dada sy Neny, fa ianareo no nampianatra niteny, lasitra nomen-janahary, lolohavina hatreto sy hatrany.
Tadidio anefa fa ny andri-zareo nampiana fiteny samy hafa, ary koa ny ankabeazan-dry zareo tsy mafehy ny teniny, maika moa fa ny tenanay dia tena aotra.
Soa fa nanana ny fiteniny.
.
Part 4 :
Ny Soa fianatra, tsarovy anefa fa ny mahasoa ny hafa, tsy voantery ahasoa anao, tsy manda ny tenako fa tsara sy mahafinaritra ireo vitan-dry zareo, nefa mbola milaza aminareo ny tenako, fa na hatreto aza mbola tsy resindry zareo, mihomehy ahy angamba ianao. Nefa ny porofo eo ambany masonao, hitanareo angamba ireo tamboha, izay natahon’ireo razantsika fahiny, mijoro tsara sy mahitsy izy ireny.
Nisy kajy tao ary nisy aljebra ihany koa, hatramin’izao dia mbola maro izy ireny, tsara ny fangarony nisy kemistry tao.
.

Sary nindramina tao @ tranokala MCMParis
.
Part 5 :
Mbola lazaiko aminareo ihany koa, fa ry zareo no mila mianatra ny fahendrena sy ny fitiavana ny fahendrena, fa tsy ny razantsika. Izay no mahatonga antsika taranany tsy mahay miady an-trano. Raha eo amin’ny lafiny fitsabona dia mbola manakambara ihany koa ry zareo.
Mafy ny tazo mahery azo avy amin’ny moka, fa tsy ritra izahay taranany. Niforaina ireo tovolahy kely rehetra fa mahalala madio ry zareo. Io tanintsika io dia anisany tany, manankarena amin’ny zava-maniry azo atao fanafody.
.
Part 6 :
Maro amintsika Malagasy no sahy milaza, fa miaina ao anatin’ny fahazavana, saingy indrisy ny alina mitsipozipozy amin’ny delestazy, ny maraina mila tsy ahita izay ho hanina androany. Misy ny milaza fa afaka, ny sasany milaza fa mandresy foana rehefa miaraka aminy. Izao ve ny atao hoe afaka ? Ny atao hoe afaka dia miverina amin’ny niaviana. Ny vatana fotsiny no miriaria fa ny saina mankahala ny tenany, mandresy nefa fehezin’ny hafa.
.
Part 7 :
Fantatrao fa vao mikitika finoana aho dia ny ankabeazanareo ireo hanome tsiny ahy. Nefa alohan’ny hanomezan’ny zanako tsiny ahy dia hoy aho hoe, tsy izaho no namorona fa milaza tantara. Koa raha toa hanome tsiny ahy ianao dia manome tsiny ny tantara. Iza amintsika Malagasy no mahalala marina ny tantara nihatomboany, tsy natao ahalala fa raha mahalala dia mametraka fanontanina.
.
Part 8 :
Nahazo Zanahary maro izahay, na ny ankamaroany olona aza milaza fa iray ihany, nefa samy manana ny anarany, ary samy mitondra endrika samihafa. Saingy tsy fantatsika fa ireo olona nitondra ireo fivavahana tany amintsika, mbola ireo no olona nahalala farany teto an-tany izany Nahary izany, dia ry zareo indray no miseho mpampianatra.
.
Avy amin’ny vondrona « Malagasy ve ianao ».
.
Part 9 :
Ny razantsika sady nanana lohasaha mangina, no nanana ilay Nahary ihany koa. Adinontsika angaha fa noraràna isika hanao famadihana fahiny, izay nataon’izy ireo hoe manompo sampy, fa amintsika inona no atao hoe sampy? Tsy devoly ! Saingy aty aoriana ny azy ny razany nataony hivavahana, ary nanoloana (nosoloina) ireo fanampinan’anarana, na dia tsy fantatra aza ny tena tantarany.
Indrindra moa fa ny tantaran’ilay atao hoe mpamonjy. Efa nisy maromaro ny talohany no nitovy tantara taminy, zay efa nivavahany talohan’i Jesosy, dia ao i Osiris; Dionysus; Mithra …
.
Part 10 :
Hatreto aho vao nahita Dieux nanao copie collé. Izao ihany no mba lazaiko, tsy nisy tany nandroso miaraka amin’ny zanahary ny hafa. Fa amintsika izao Nahary izao mantsy adala nanao ny olombelona samy hafa tany; endrika; fiteny; fomba sy finoana…
Mba jereo ny Sinoa nijanona ho Sinoa, fiteny, fomba, finoana ary indrindra fa ny anarana.
Jereo ny Arabo ny Jiosy; eropeanina sy ny sisa, ireo rehetra ireo samy nitazona ny azy samy nandroso, ny tena mba aiza ?
.
Toerana iray eto Madagasikara
.
Part 11 :
Ny zavatra tsy azontsika koa dia ny atao hoe fandrosona, na dia efa nambarako tetsy ambony aza dia mbola averiko ihany, ary ho hamafisiko koa. Ny fandrosona dia avy amin’ilay Nahary, nomeny maimaimpoana ho an’ny tsirairay, raha tsy izany nilozotra ny nonon-dreniny teny foana.
Ny hevitra sy ny traikefan’olona iray nitambatra ho vahoaka nohon’ny fitovizana fiteny, fomba sy finoana, miteraka fitovizana fijery. Ireo no mitambatra dia miteraka fandrosoana, ireo rehetra ireo no anana ampian’ny tany sy ny tontolo hiainana, dia tsy misy tokony aha ory. Tsy vaovao tamin’ireo razantsika, nandroso ry zareo eny !
.
Part 12 :
Saingy tsy nianatra ny atao hoe ady, tsy hainy ny mamono olona, teo no nandreseny antsika.
Ankehitriny ry zareo indray no atao fitaratra, nefa tsy toy izao ry zareo raha tsy teo ireo, olona nandevoziny sy ny tany nozanahiny. Ny tsy fantatrin’ny maro dia ity fandrosona nidirana ity, mitovy amin’ny orin’asa iray izy ity. Izany hoe misy ny mpiasa misy ny vokatra vokarina dia ireo no mivadika vola. Ry zareo 500 taona ny mpiasa miasa maimaimpoana, ny vokatra vokarina maimamipoana, na olona adala aza ny lehibe mitondra izany, tsy ho gotry rahoviana. Ary ny taninao mba nanao ahoana nandritra ny 500 taona ?
.
Part 13 :
Ny tantara hain’ny maro dia tantara nosoratan’ny mpandresy !
Tsy sanatria mihantsy ady na fankahalana sanatria, tsy hain’ireo razantsika izany, isika taranany aty aoriana mba manao ahoana?
Marina mafy raha toa nampoiziny toa izao, tsy namono ny tenany ry zareo fa naleony nanaiky mora.
.
Baobab eto Madagasikara
.
Part 14 :
Tokana ihany ny zavatra ambarako, raha tianao ny handroso dia ny miverina amin’ny maha ianao anao, fa tsy misy tany mandroso noho ny hevitry ny hafa, na hiandry ny fanampiana etsy sy eroa. Tsy mbola nahita tany nampandrosoan’ny FMI aho hatramizao. Ny tena misongadina dia ity, izahay dia mponina mahantra, nefa ny taninay anisan’ny tany manankarena. Be an-tsompitra nefa mosarena, mety hitombona ve ?
Tojo ny zavatra niriany ireo mpanjanaka, dia ny hamafa tanteraka ny momba anao, dia ny maha Malagasy anao.
.
Tsima
29 juillet 2016

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s