« Satria ve ? » Nitiah Nosy.

SATRIA VE?

 

Fa satria ve tsy mitovy ny saranga misy antsika,
dia ny fitiavako iny avy no heverina ho mandringa?
Indrisy raha nitia ny fo, tsy nifidy ny hiantefany,
tsy mba hainy ny nanavaka, ‘zay ambony sy ambany.

Satria ve ny hira fihainonay tsy mba ‘lay henoinareo,
dia nampangaina fa tsy kanto, peta-toko mankaleo?
Na ‘lay mampandihindihy, na irony miadankadana,
ankafizinay daholo, rehefa vazo tsy mivalana.

Fa satria ve ny hevitray, hafa noho ny an’ny maro,
dia voahilika an-tsisiny, tsy mendrika hiharoharo?
Ny hevi-tsamihafa anie no hahatratrarana ny marina,
izahay tsy mialonjafy, asanao raha hody fanina.

Satria ny fiavianay avy any ambanivolo any,
dia kinga ianao manamavo, sanatria toa manambany?
« Rà » iraisana ny antsika, nosy iray no nihaviana,
k’inona ny tombotsoa amin’izay fifandrafiana?

Fa satria ve ny anay herin-tsandry no hivelomana
dia zara raha karama no sandan’ny aina efa torovana?
Anao ny vola, fahalalana, f’aza haetry ho ambany,
ireo miasa ho anao, malama maina anie ny tany.

Satria ve ‘zaho manan-kilema, mba naniry ho tafita,
dia voatosi-boho-tànana, fa hoe mety tsy hahavita?
Ny toe-batako iny angamba, no tsy ampiampy loatra,
ny tosiky ny herin-tsaiko, ambony entiko hivoatra.

Satria anie tsy misy lafatra, samy manam-pahalemena,
ny mety dia ny mifameno, tsy misy mahavita tena.
Tondro tokana hono mantsy, nofy raha hahazo hao,
aleo tsy mitsitokotoko, fa mifampila ‘zaho sy ianao.

 

Nitiah Nosy – Poeta

31/08/2016.

 Nitiah Nosy Poeta 1

Tantsaha

Ambatolampy 8

 

Advertisements

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s