« Rivo Rakotovao sy ny sinoa: mandeha tsara ny bizina », Rivo Albert (Mcm-Tanà).

Rivo Rakotovao sy ny sinoa: mandeha tsara ny bizina

 

Na inona na inona tian’ireto sinoa ireto atao eto amitsika dia tsy misy olana izany rehefa mifanaraka tsara amin’ireo mpitondra mora voavidy ary tsy mijery afatsy ny tombontsoan’izy ireo manokana. Amin’izao fotoana izao dia efa am-perinasa tanteraka ny orinasa sinoa iray izay hanangana valabe ao Ankaramena, ao amin’ ny distrikan’i Ambalavao Tsienimparihy. Raha ny voalazan’ny solombavam-bahoaka any an-toerana dia omby mahatratra 4 alina isa no hompiana ao ao anatin’ity valaben’ny sinoa ity.

I Rivo Rakotovao filohan’ny HVM sady minisitry ny fiompiana no nanome an’ireto sinoa ireto izany tany midadasika be izany ary mazava hoazy fa nisy ny fifanarahana ambadika teo amin’ny roa tonta. Tsy noraharahin’i Rivo Rakotovao na dia tsy nanaiky ny hananganana ity valabe ity aza ireo mponina ao Ankaramena. Ankehitriny mantsy dia zara raha misy intsony ny toerana afahan’ireo mpiompy mametraka ny ombiny satria efa lasan’ny sinoa avokoa.

Tsy mahagaga raha tsy misy hiraharahin’i Rivo Rakotovao an’izany satria tsy mahazo vola amin’ireo mpiompy madinika ao Ankaramena ireo na ariary aza fa any amin’ny Sinoa amina miliara vao miteny.

Rivo sinoa

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s