CUA-Antananarivo. Fanafihana polisy nandamina tsena.

 

FANAFIHANA POLISY NANDAMINA TSENA

Mpitandro ny filaminana eny amperinasa amin’ny fanalàna ireo mpivarotra amoron-dalana tsy manara-dalàna no niharan’ny fihantsiana sy fanafihana nataon’andian’olona teo Analakely, anelanelan’ny Naza Electronic sy ny La Gastro Pizza, androany tolakandro.
Fitaratra maro tamin’ny fiara Mazda manga fampiasan’ny Polisy no vaky nandritra izany. Iray tamin’izy ireo no namaky fitaratra tamin’ny lohany ka naratra. Io no efa voatàna sady niaiky ny heloka vitany. Mbola nisy tovolahy telo (3) hafa koa nitoraka ny fiara sy ireo mpitandro ny filaminana saingy tafatsoaka.

Tsy ho sarotra ny hanatrarana azy ireo satria efa fantatra ny endriny, hoy ireo polisy niharan’ny fanafihana.
Eo am-pelatanan’ny kaominina koa ny porofo tsy azo lavina, toy ny vatobe izay nampiasain’ireto andian’olona ireto.
Natolotra ny Commissariat Central eny Tsaralalana izay hisahana ny famotorana ilay tovolahy voasambotra.
Voalaza fa tsy mpivarotra ireo andiana tovolahy ireto ka tsy fantatra na voakarama na te-hanakorontana fotsiny izao.
Marihina fa ekipa mpandamina tsena ahitàna Polisy Monisipaly, Polisy Nasionaly ary sivily no tao anatin’ny fiara Mazda niharan’ny herisetra androany tolakandro.

Manamafy hatrany ny Kaominina Antananarivo-Renivohitra fa mitohy foana ny asa fandaminana ny tsena, ho amin’ny tombontsoan’ny rehetra.

.
cua fiara 1 cua fiara 2
.
cua fiara 4 cua fiara 6
.

MIREFAREFA AMIN’NY TANY :
Mampalahelo ! Notafihan’ny andian’olona ny fiara MAZDA nitondra ireo police municipale sy police nationale mpanala ireo mpivarotra tsy ara-dalana avy ao @ CUA androany ka dia maro ny fitaratra vaky , teo anelanelan’ny naza electronique sy ny gastro moa no nitrangan’izany , nisy iray tratra moa tamin’izy ireo ary efa atao famotorana eny @ police centrale , mazava hoazy fa misy olona ao ambadik’izao ka dia hohita eo ny tohiny . Mampalahelo izao ny toe-tsaina tsy tia fandrosoana izao

.

26 Août 2016.

Zaza tsy manatsiny indray no asaina milanja sorabaventy sy… atao sorona !!!

.-

Izy no Solofoniaina na i Solofobe!!!taorian’ny nanoroan’ireo namany sy nikarohana azy nandritra ny herinandro, dia tratra ihany ny lehilahy, izay nitsotra rehefa nanontaniana, fa nokaramaina hanakorontana ny fandaminana ny tsena ataon’ny CUA, ary izy no nitoraka ny fitaratr’ity fiaran’ny Polisy ity na dia tsy mpivarotra aza!!!!mbola hitohy!!!!

calme, avec Cua Serasera et Bmh Cua Civisme, à Hotel De Ville Analakely.

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s