« Tratran’ny ody mahery hono isika Malagasy! » Rivo Albert (Mcm-Tanà).

Tratran’ny ody mahery hono isika Malagasy!

 

Tena nanaitra ny tena ny resaka nataona olona iray momba ny zava-misy eto Madagasikara ka zaraina amintsika rehetra. Raha ny fanadiadiana nataon’ity olona iray ity dia misy herin’ny maizina mihitsy mangeja antsika Malagasy ka mahatonga antsika mianakavy tsy hitroatra fa hanaiky izay rehetra ataon’ny mpitondra na samy mahita zao aza ny rehetra entiny mankany an-kady ny firenena.

Io herin’ny maizina io dia avy amin’ny ody tena mahery ary olona iray ao an-dapa izay tena malaza ho tompony amin’izany filalaovana ody izany no manao azy. Tena mahagaga hoy ity olona ity fa tena mitotongana ny firenena, tsy misy fampandrosoana mandeha na iray aza, ireo mpitondra mangoron-karena amin’ny alalan’ny fivarotana tanindrazana sy fanaovana kolikoly avo lenta, ny fanitsakitsahana lalana sy fampanantenana paokaty tsy lazaina intsony kanefa tsy misy mihetsika isika Malagasy fa mitaza-potsiny an’izany rehetra izany. Tsy misy hoy ity olona ity ny vahoaka eto ambon’ny tany ka tsy hitroatra raha izao zava-misy eto Madagasikara izao no hiainana kanefa matoa isika Malagasy tsy mihetsika fa midorohoroho hoy ny tanora izay dia ao raha.

Tena mampiheritreritra a! samy isika rehetra mandinika . . . Sa ve efa reraka tanteraka?

 

Ody mahery

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s