« Gabon 2016 – Madagascar 2018 », Rivo Albert (Mcm-Tanà).

Gabon 2016 – Madagascar 2018

 

Tonga dia miomana isika vahoaka Malagasy fa tsy maintsy hikorontana tahaka ny mitranga ao Gabon amin’izao fotoana izao no hitranga eto Madagasikara amin’ny taona 2018 ao aorianan’ny fifidianana filoham-pirenena raha tsy maintsy ho tonga any amin’izany ihany ity fitondrana HVM ity. Tsy mila famakafakana lalina na diplaoma tahaka ny ahoana vao mahatsapa izany fa lojika tsotra. Tsy maintsy hangalam-bato « au maximum » i Hery Rajaonarimampianina amin’io fifidianana io satria efa alam-bahoaka tanteraka ka tsy ho lany mihitsy raha mandeha amin’ny rariny sy ny fahamarinana ny fifidianana.

Rehefa mivaly ny fifidianana ka mivoaka mpandresy i Rajao noho izay hala-bato goavana izay dia tsy hanaiky intsony ny vahoaka, indrindra fa ny mpomban’ireo kandida tokony ho lany. Ny 90 isan-jaton’ny vahoaka Malagasy tsy hanaiky mihitsy ny mbola hijanonan’io mpitondra mpivarotra tanindrazana io hatramin’ny 2023 ka tsy maintsy hitraotra tahaka izay misy any Gabon ankehitriny. Ry HVM sy ny forongony anefa tsy hanaiky mora koa ka tsy maintsy hampiasa hery famoretana mafy raha mbola hanompo azy ny miaramila mazava hoazy. Ny vahaolana mba tsy ahatongavana amin’izao zava-misy any Gabon izao dia ny fandraisana andraikitry ny olom-pirenena mialohan’ny taona 2018.

Rivo Albert

Gabon 2016

Advertisements

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

2 commentaires pour « Gabon 2016 – Madagascar 2018 », Rivo Albert (Mcm-Tanà).

  1. Toa nifanojo ny eritreritra ve fa nisy lahatsoratra vao haingana koa mikasika ity raharaha gabon 2016 ity, izay mampahatsiaro ny zavamisy teto dago tamin’ny taona 2001-2002; raha ny zava-nitranga tamin’ny desambra 2013 indray dia azo lazaina fa « nandefitra manana ny rariny » ingahy jlouis robinson, tsy omena tsiny anefa izy fa tampoka taminy anganba ny fandehan-javatra…. tsy nilavo lefona izy anefa matoa mbola nirotsaka ary lany ben’ny tanàna any Alaotra; mbola tantara mitohy vaovao ity fiatrehana sahady ny fifidianana 2018 ity dia samia mahereza fa toy ny « bifitaika an-tanan-tsaka » ity fahazoana fahefana amin’ny alalan’ny latsabato miafina ity ! indro ary ny lahatsoratra voalaza tetsy ambony, @ teny frantsay izy ty @ maha serasera manerantany ny « aterineto » d mazotoa mamaky… « Gabon 2012, Madagascar 2002 et perspectives 2018 » http://wp.me/p5qfQC-4M

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s