« Avelao ny lasa », Christiane Ramian.

Avelao ny lasa

 

Ireo zavatra efa lasa
Avelao hivalona any
F’aza averina ho kinasa
Na hamerenana tomany
Tsy azo raofina ny very
N’inon’inona herinao
Na hataonao tsianjery
Aza izao tontolo izao.

Ireo heverinao nidify
Any ambany rangolahy
Tsy lasa aiza fa niampify
Eny ihany fa fanahy
Tsy nisaraka aminao
Saingy vizana ny ainy
Mbola azonao atao
Ny manakatra ny sainy

Izay noheverinao hoe very
Nandrotika ny fonao banga
Izay namela anao irery
Niala fa nahita akanga
Dia avelao izy handeha
Aza tiavinao intsony
Ankalazao ho rehareha
Tsy mendrika anao ny fony

Dia mahaiza manadino
Mamela ny tsy azo tazomina
Izay anatrehanao fihino
Dia meteza hahay hionona
Tsy ny fotoana no hitsabo
Fa safidy ny ho sitrana
Ataovy tanjona ny miabo
Hanjairana izay tata-bitrana

Avelao ny lasa

04/09/2016.

(C) Christiane Ramian

Chris Ramian

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s