« Mitrandraka volamena hatramin’ny zanaky ny filoham-pirenena », Rivo Albert (Mcm-Tanà).

 

Mitrandraka volamena hatramin’ny zanaky ny filoham-pirenena

 

Mampiteny ny anarany indray ankehitriny ny zanaka lahin’ny filoham-pirenena Mathieux Rajaonarimampianina tao aorianan’ireny raharaha nahafatesan’olona tsy manan-tsiny tany Anjozorobe ireny. Fantatra amin’izao fotoana izao ary vaovao marim-pototra fa hitrandraka Volamena ao amin’ny kaomin’i Betsiaka any Ambilobe ity zanaky ny filoham-pirenena ity ary efa tonga any an-toerana ny fitaovana vaventy fanivanana sy fitsirihana volamena. Raha ny fantatra dia teratany Sinoa iray sy malagasy iray mpivezivezy mankany Dubai ary efa mpanao bizina miaraka amin’ny fianakavian’ny filoha hatramin’izay no miaraka amin’i Mathieux Rajaonarimampianina amin’ity tetikasa fitrandrahana volamena ity.

Mazava ankehitriny fa maika ny hangoron-karena farany izay haingana mihitsy ry Rajaonarimampianina mianakavy ka na ny zanaka na ny anabavy na fianakaviana dia samy miditra amin’ity fitrandrahana harena ankibon’ny tany ity avokoa. Ny vahoaka Malagasy miha milentika anaty fahantrana lalina noho ny adalan’ny mpitondra fa izy mianakavy ao an-dapa ao miha manana andro aman’alina. Manoatra noho ny fianakaviana Bongo any Gabon indray ireto Rajao mianakavy ireto.

Mathieu Rajao

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , , , , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s