« Andeha ho aiza moa isika e ? » Mamitiana Randrianarison (Mcm-Tanà)

 

ANDEHA HO AIZA MOA ISIKA E?

 

Andeha ho aiza moa isika?
Ô ry ingahy filoha hajaina
F’efa be no valaketraka
Sy tsy sasa-mitaraina
Nefa ianao miliba ihany
Sy mangorona harena
Toa indray mampanontany
Ho aiza moa ity firenena?

Andeha ho aiza moa isika?
Ô mpitondra matihanina
F’efa noana izao izahay
Zara raha mihinan-kanina
Tsy mahita tany ombana
Hahitana izay mba mety
Miaina anaty fahantrana
Fanina…tsirempirempy

Andeha ho aiza moa isika?
Ô filoha mahay kabary
Izao ny gasy pahapahana
Tsy naharaka tantara
Hay ianareo angabohabo
Intsony tsy antenaina
Nefa anie ka be ny babo…
Sy niandrandra ny maraina

Andeha ho aiza moa isika?
Ô ry Malagasy havana
raha izao anie no mitohy
« Gasikara ho tany ngazana »
Lany hina ve hijoro
Hanavotana ny tany?
Izao vao mainka koa nikoro
Mihamitrosona hatrany

NARY
27/08/2016

Mamitiana a1 Mamitiana a2

Mamitiana a3

Advertisements

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s