« Tratran’ny « contre-pied » koa i Dada . . . », Rivo Albert (Mcm-Tanà).

 

Tratran’ny « contre-pied » koa i Dada . . .

 

Vaky vava mihitsy i Marc Ravalomanana noho ny fitapitaka ataon’ireo mpitondra HVM momba ilay taninin’ny Tiko Agri etsy Andohatapenaka. Sady nahazo fampitandremana mafy ny praiminisitra Mahafaly Olivier sy ny minisitra Narison Rafidimanana no nahazo fampitandremana hatramin’ireo Sinoa mpanamboatra lalana izay ambaran’i Marc Ravalomanana fa tsy manara-dalàna.

Mazava ny teny nataony fa fanjakana tsy refesi-mandidy no misy eto amin’ity Madagasikara ity ka manao izay tiany na manitsakitsaka lalàna aza. Ny mahagaga dia ny hoe izao ve ity filoha teo aloha ity vao mahafantatra ny fihetsik’ireto mpitondra HVM ireto? Tato anatin’ny 2 taona sy 7 volana nitondran’i Rajao dia nahita ny rehetra fa tsy misy afa tsy famitaham-bahoaka no nisy teto. Nambara fa 3 hatraminy 6 bolana dia ho voavaha ny olan’ny delestazy kanefa mandrak’ity ny androany toa vao maika aza nihamafy izany.

Ny vahoaka efa mahafantatra fa tsy misy na inona na inona azo hantenaina amin’ity fitondrana HVM ity fa satria hono amin’ny 2018 vao afaka maneho hevitra ny vahoaka dia ho hita eo amin’ny 2018 raha tsy voahongana mialoha.

Dada Rivo Albert
Publicités

A propos Mouvement des Citoyens Malagasy de Paris

Pour une prise de conscience citoyenne des Malagasy
Galerie | Cet article, publié dans Non classé, est tagué , , , , . Ajoutez ce permalien à vos favoris.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s